Front de libération nationale

«Tsy hanana fahamarinan-toerana politika mihitsy ny fitondrana»


  • Zoma 31 Mey 2024

Miarahaba ny vahoaka malagasy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale,

hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre, nahavita iny fifidianana solombavambahoaka iny. Tao anatin’ny fahendreny, hoy izy, ny vahoaka malagasy na dia teo aza ny zava-maro mety miteraka korontana sy fankahalana ary ady. Niezaka ho tony foana ny vahoaka tao anatin’izany rehetra izany ary niarahantsika nahita fa amin’ny ankapobeny dia azo ambara hoe nilamina ny fizotran’ilay fifidianana. Nisy ihany ny zavatra nety nampikorontana nefa samy niezaka nanetry tena na nampitony an’izany isika.
TSY MARIN-TOERANA
Ny zava-dehibe dia hoe tsy niroso tamin’ny ady an-trano na rà latsaka ny firenena fa tsy ny hoe niroso tamin’ny tsy fanarahan-dalàna akory ny fifidianana. Maro ny zava-niseho. Ny FLN dia isan’ny mpikambana anatin’ilay hoe «Diovy i Madagasikara», izay manana an’andriamatoa Guy Maxime Ralaintseheno ho mpandrindra nasionaly. Efa nilaza tamin’ny vahoaka malagasy izahay fa tsy misy fiovana ny fifidianana eto Madagasikara raha mbola io rafitra amin’izao io sy ny fepetra entina itondrana ny zava-misy amin’izao io no itondrana ny fifidianana. Tena mandeha amin’ny tsy ara-dalàna foana ary mandeha amin’ny halabato foana ary rentsika ombieny ombieny ireo tsy fanarahan-dalàna sy halatralatra rehetra efa noteneninay hatramin’izay ka nahatonga anay hanangana ny hoe «Diovy i Madagasikara». Voaporofo mazava izy tamin’ity fa tena mbola mitoetra ary miha mafimafy kokoa aza satria niarahantsika nahita fa ny filohan’ny repoblika izay an’ny malagasy rehetra dia nanana fironana hivondrona hoe isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Raha ny fironan’ny voka-pifidianana teo aloha dia hitantsika fa mbola misy fironana miisa 2 ngezabe eto amin’ny tany sy fanjakana dia izay miaraka amin’andriamatoa filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay mbola mitana ny sain’ny maro satria nahongan’ilay faharoa dia ireo miaraka amin’andriamatoa Andry Nirina Rajoelina. Hitantsika koa anefa fa miakatra sy mitombo tsikelikely ireo olona ohatran’ny hoe milaza fa leo ireo olona ireo ary tsy manana fironana mankaiza dia ireo ataontsika hoe mahaleotena na «indépendant». Raha ny fironana hita aloha dia tsy hanana ilay antsoina hoe fahamarinan-toerana politika na «stabilité politique» mihitsy ny fitondrana ankehitriny satria tena mifandipatra be amin’ny tokony hahazoana izany ny voka-pifidianana misy ankehitriny, hoy hatrany ny Front de libération nationale.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT