Front de libération nationale

«Mila fanahin’olona matotra sy azo itokisana ny fanaovana politika»


  • Talata 03 Desambra 2024

Mila fanahin’olona matotra, azo itokisana tsara ny fanaovana politika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale.

Tsy azo itokisana, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, ny olona manao fanaratsiana izany. Izay niarahana nanapaka no tokony hivoaka anatina fikambanana, hoy izy. Lasa toetrana olon-tsotra fa tsy mpanao politika no toetranao raha vao miala amin’izay. Ny zava-miseho anaty ampamoaka dia mety ho tena zava-marina fa tsy fanaratsiana. Ny tsara ihany koa no haratsiana fa tsy ny efa ratsy. Tahotra ny hatsaràn’ilay haratsianao na ny tsy fanananao ny hatsaràny izany no mahatonga anao manaratsy an’ilay olona satria mety hisongona anao bebe kokoa izy amin’izay fahatsaràny izay ka izay no hanaratsianao azy. Ny asa rehetra ataonao ao anaty fikambanana dia ho an’ny fikambanana fa ny asa rehetra ataon’ny fikambanana dia ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Tsy misy kandidàn’ny mpanohitra raha ny fahitàn’ny FLN azy ao anatin’izao fifidianana kaominaly eto Antananarivo izao fa kandidàn’ny tsy fitovian-kevitra na fankahalàna ny filoham-pirenena sy ny fitondràna no misy. Mifaninana amin’ny fitondràna ireo olona ireo satria ny fanoherana dia raha misy hevitra avoakan’ny fitondràna dia kihaninao na tsikerainao fotsiny fa tsy hoe rehefa lasa ben’ny tanàna ianao dia tafiditra anatin’ny isan’ny mpitondra fa tsy tafiditra intsony anatin’ny isan’ny mpanohitra, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT