fahataperan’ny tetezamita ny famahana ny olan’ny fampianarana!»
tokony hiteny amin’ny vahoaka fa tsy amina alalana mpanao gazety voatsongatsonga izany filoham-pirenena na filoham-panjakàna izany, hoy ny FLN na Front de libération national, satria manjary lasa mihevitra ny rehetra fa efa nomanina ny fanontaniana, ny valinteny, ny rehetra. Tokony hahafantatra daholo ny mpanao gazety amin’ny fotoana anaovana izany, hoy ny mpandrindra nasionaly, Iada Jean Pierre, na ho tonga na tsia izany mpanao gazety izany. misy vondrona na fahefàna tokony mitondra ny tenin’ny vahoaka, hoy izy, raha efa mitondra araka ny lalàmpanorenana ianao. Tsy ampahampahan’olona kely vitsivitsy toy ireny. Raha efa noravàna kosa ny lalàmpanorenena dia rariny ireny. Ny manahirana tamin’ny valintenin’ilay mpitondra fanjakàna dia ilay hoe «miheritreritra izahay!», izany hoe, ny feon’ny fiheritreretany no hitondràny ny tany sy ny fanjakàna fa tsy misy praograma mazava. Mampametra-panontaniana hoe miainga avy amin’ny inona izany ny PGE na ny fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakàna izay ho alefa ho dinihina eny amin’ny antenimieram-pirenena? Izy miheritreritra io ve izany mba maka hevitra amin’ny izy 4 mirahalahy mpiara-mitantana? Hatreto ny FLN dia mbola tsy mahita ilay hoe fanapahan-kevitra hentitra mety hitondra any amin’izany fanovàna izany. Hatramin’ny androany toy fanohizana ny tsy nety nataon’ny teo aloha ihany no hita, asa hoe mandra-pahoviana? Ilay fisehosehoana hoe misokatra na niatrika teo daholo na fiarahamonim-pirenena na orinasa na manana fahasembanana, GEN Z, ny karazan’olona rehetra dia tsiahivina fa efa hatramin’ny 2010, ny olana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakàna dia efa fantatra sy dradraina isan’andro. Tsy ilay fipetraky ny fanontaniana enjana na mafy no zava-dehibe fa ilay valin-teny hoe tena miantefa any amin’ny tombontsoam-bahoaka marina ve? Valinteny azo ho tanterahina ve sa toram-po fotsiny hoe minoa ahy ianareo na matokisa ahy? Misy olana be dia be tsy maintsy andraisana fanapahan-kevitra maika, ohatra, tahaka ny zaza marary any amin’ny hopitaly tsy misy fanafody. Ireo mpianatra tsy afa-mianatra satria tsy manam-bola ny ray aman-dreniny na noho ny tsy fisian’ny sekoly sy mpampianatra. Tsy tokony hiandrasana fahataperan’ny tetezamita ny famahana ny olan’ny fampianarana! Ny 11 oktobra nisy fanapahan-kevitra mazava nifandraika tamin’ny tolona dia ny filazàna hoe rava ny andrim-panjakàna rehetra, rava ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 ary isan’ny nitehaka tamin’izany izahay. Isan’ny lalana tsara tokony hizorana sy iverenana izorana izany izao satria tsy ahafahan’ny tetezamita miasa io lalàmpanorenana io, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.