Ny fampitahàna dia tsy vahaolana velively hahazoana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara,
raha ampitahainao amin’ny fomba nakàn’ny maorisianina ny nosy Chagos tamin’ny britanika ny hoe akàna ireo nosy ireo, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny FLN na Front de libération national, Iada Jean Pierre. Izay, hoy izy, ilay fitenin-drizareo frantsay hoe «Comparaison n’est pas raison!». Ireo delegasionina nankany Paris ireo dia «Izy rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina». Tsy misy tia tanindrazana na iray aza ireo delegasionina lasa any Paris hoe hiady ny nosy manodidina ireo. Ny an’ny tia tanindrazana dia hoe fialàn’ny frantsay ao amin’ireo nosin’ny malagasy ireo. Izay ihany! Nosin’ny malagasy ireo no nangalariny, nanaovany an-keriny hipetraka ao. Tanatin’ny fanjanahantany izany ary hatramin’izao dia mbola dongian’ny frantsay ireo nosin’ny malagasy ireo ka ny fanapahan-kevitry ny firenena mikambana dia milaza fa an’i Madagasikara io, noho izany, amin’ny fiandrianany tanteraka i Madagasikara amin’ireo. Mila miala ao ny frantsay! Indrisy anefa fa vao niala taty ireo olona nalefan’ny filoham-pirenena ho any dia efa nampitondrainy hoe ireto no teboka ho resahinareo any. Lazainy fa teboka mavesatra ireo nefa tsy tafiditra ao ny hoe mialà ianareo tao! Ny ao dia hoe fangatahana karazana tombontsoa na karazana fepetra, izany hoe, ao anatin’ny fiheritreretana tanteraka fa manana fiandrianana ao anatin’ilay nosy koa ny frantsay. Izay no hiheveran’ny solontenan’izy rehetra miarak amin’i Rajoelina any fa tsy hoe ny malagasy no tompony dia mialà ianareo! Rahoviana ianareo no hiala? Toy ireny firenena rehetra tsy manaiky asa fampihorohoroana na «acte terroriste» rehetra ireny i Madagasikara. Tsy tokony hifampiraharaha amin’ny olona midongy fananan’olona tahaka an’io koa izany izy. Tsy tokony hisy fifampiraharahana io satria niditra nanjanaka antsika tao ny frantsay tsy nisy fifampiraharahana, tsy nisy filàna tekinisianina, tsy nisy filàna mpitsara nefa hoe amin’izao fotoana izao ve ho alainao ny anao dia mila mitondra tekinisianina ianareo? Tsy misy tekinika resahana ao na fitsaràna. Tsy misy afa-tsy hoe anay io dia mialà ianareo tao! Izay ihany no tokony resahina any. Ny vokatra andrasana amin’ireo delegasionina nalefa any izany dia hoe nahavita fitsangatsanganana nahafinaritra izy. Tsy misy na inona na inona azo antenaina amin’ireo satria vao niala taty izy dia tsy nisy resaka famerenana an’ireo nosy ireo akory natao tao an-tsainy fa hoe ahoana no fomba iahara-manana ireo nosy ireo. Mampalahelo raha hoe misy mangalatra ny fiaranao dia miantso anao ho any an-tranony avy eo ilay mpangalatra hoe andao iarahantsika mitantana ity fiara ity fa tsy vitanao irery ny mitantana azy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.