Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
tsy hoe fanatonana ny depiote na minisitra rehefa mifampiantso dia avy eo mikato-trano, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny FLN, Iada Jean Pierre. Ny demokrasia voalohany indrindra dia ny fanarahana ny atao hoe maha tany tan-dalàna ny firenena sy ny fanajàna ny lalàmpanorenana, hoy izy. Ny tena ngeza indrindra dia hoe fanajàna ilay vahoaka nanome fahefàna ilay filohan’ny repoblika. Sarotra ny inoana hoe afaka hiaro ny vahoaka malagasy ny solombavambahoaka raha toa ka ny anjarany izay lazainy hoe «droit acquis» na zo efa azy aza tsy voaharony. Sarotra be izany ny inoana ireo depiote ireo hoe hanana hery sy tanjaka iarovana ny tombontsoam-bahoaka. Hatramin’ny androany ny solombavambahoaka tsy mbola nahatafavoaka tolo-dalàna nahitàna soritra fa afaka hamoaka an’i Madagasikara anaty fahasahiranana. Mitohy foana nefa ny olana rehefa tsy izay. Io olan’ny JIRAMA io dia olana ara-tekinika, fitantanana goavana be. Tsy any amin’ny filazàn’ny minisitra hoe tsy amidy ny JIRAMA no olana fa hoe manana vahaolana ve ny fanjakàna hanome fahafaham-po ny vahoaka orinasa iray hamatsy herinaratra sy rano araka ny tokony ho izy ho an’ny vahoaka malagasy? Tsy ilaina ny fidinan’ny minisitra na filohan’ny repoblika eny ifotony rehefa tsy mitondra vahaolana mamaha ilay olana misy eo amin’ilay vahoaka fa tsy hoe andeha hijery ny fahantram-bahoaka na mbola hanontany ihany hoe inona ny olanareo nefa efa iaraha-mahalala izany. Tsy ilaina ny fidinana ifotony tsy mitondra vahaolana, hoy hatrany ny FLN!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.