Front de libération national

«Tokony ezahina ny ialàn’izao


  • Alarobia 08 Aprily 2026

firenena izao amin’ny rafitra teo aloha!»

Azo lazaina ho amin’ilay antsoina hoe «fanatisme» na fanindrahindràna olona no antony nifidianan’ny mpifidy azy ny fitondràna Rajoelina ary fitondràna fanatika na «régime fanatique» ny fitondràna Rajoelina, hoy ny FLN na Front de libération national. Ny fitondràna ankehitriny, izay mifikitra amin’ny rafitra tamin’izany kosa, no atao hoe fitondràna «réactionnaire» na «régime réactionnaire», hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre. Izany hoe nanao ny fomba rehetra izy hanalàna ny fitondràna teo aloha fa mbola miaina ilay rafitra tamin’izany ihany, hoy izy. Ny andrasana izany izao dia ny hijoroan’ny atao hoe fitondràna tena manavao na «régime progressiste». Fitondràna miala amin’ny rafitra teo aloha izay ary manangana rafitra vaovao hiampitàna mankany amina rafitra tena mirindra ahafahan’ilay firenena tena miaina. Tsy mahagaga, noho izany, ny fitondràna ankehitriny raha manohy ny asan’ny teo aloha. Izay no mahatonga azy tsy mivonona handrava ireo rafitra rehetra ireo satria ny lalàmpanorenana teo ihany no iainany. Izay no mahatonga azy manohy ny hoe fanendrena filoham-pokontany fa tsy miditra amin’ny fiovàna dia ny hoe fifidianana filoham-pokontany. Tokony ezahina ny ialàn’izao firenena izao amin’ny rafitra teo aloha mankany amin’ny fanavaozana tena izy! Talohan’ny nanonganana ny fitondràna Rajoelina ny FLN no efa niteny hoe atao izay ialàn’i Andry Nirina Rajoelina teo amin’ny fahefàna dia manova rafitra isika. Io rafitra ovaina io izany na rafitra vonjimaika andehanana any amin’ny rafitra tena izy dia ny rafitra vonjimaika hitantanana ny firenena aloha ankanesana any amin’ny fikaonandoham-pirenena hametrahana ny rafitra voavolavola amin’ny lalàmpanorenana hanorenana ifotony an’i Madagasikara. Noho ity fitondràna ity mitazona ny rafitra teo aloha rehetra nefa dia tsy hitombina mihitsy ny ankanesantsika any amin’ny tena fanovàna tamin’ny tolona fa lasa manohy ny fitantanana arak’izay heritreriny ilay fitondràna mba hahafahany manohy izany avy eo. Miezaka mametraka ny olona eran’i Madagasikara izy, noho izany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT