Front de libération national

«Tena lasa raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana»


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Tsy niova ny fijerin’ny FLN na Front de libération national mikasika ny fifidianana eto Madagasikara

dia ny hoe tsy azo anaovana fifidianana madio, mangaraharaha, azon’ny rehetra andraisan’anjara ka hahatonga voka-pifidianana eken’ny rehetra io lalàna mifehy ny fifidianana eto ankehitriny io, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Iada Jean Pierre. Ilaina, noho izany, hoy ity antoko politika ity ny mametraka ny antsoina hoe «code électorale» na sata mifehy fifidianana mba ho lasitra apetraka mahakasika ny lalàm-pifidianana fa raha tsy izany dia mamoaka lalàna araka izay itiavany azy toy izao ny mpanatanteraka na governemanta satria fantantsika fa ny zana-dalàna dia ny governemanta no manao azy. Ny lalàna no ataon’ny eny amin’ny antenimieram-pirenena. Zana-dalàna nefa no tena mifehy fifidianana dia ataony arak’izay itiavany azy. Ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny dia tsy manana kandida ny vahoaka. Mahantra tsinona ny vahoaka malagasy, izany hoe, tsy manam-bola. Miankina amin’ny vola nefa ny firotsahan-kofidiana. Izay milatsaka tsy maintsy manam-bola. Ny olona manam-bola no manana kandida fa tsy ny vahoaka malagasy na kandida manam-bola na olona manana fahefana sady manam-bola. Ireo ihany no manana kandida ankehitriny. Ireo karazany miisa 3 ireo ihany no mifaninana eo. Fomba isehoany fotsiny ny hoe mpanohana fitondrana sy mpanohitra na amin’ny alalan’ny tenany manokana fa ny zava-misy dia tena raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana eto Madagasikara. Rehefa tsy manam-bola dia lasa tsy afaka mirotsaka ho fidiana ilay olona. Lavitra be an’ny atao hoe demokrasia izany ary lavitra be an’ny atao hoe teny ierana ho atao eto amin’ny tany sy ny fanjakàna. Lavitra be an’ny fampandraisana anjara ny olona tena mahay, vonona sady manam-piniavana tsy miankina amin’ny vola amin’ilay firotsahan-kofidiana eto Madagasikara, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT