Front de libération national

«Mitady mpanohitra hanongana azy mihitsy izany ilay fitondràna!»


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Efa nambaran’ny FLN na «Front de libération national» talohan’ny fifidianana,

hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko politika ity, Iada Jean Pierre, fa tsy tena mahasoa ny fitondràna ny hamela ny kaominina rehetra ho tena olom-boafidy malalaka no hitondra ny kaominina. Izay no nahatonga anay hiady mafy hanitsiana ny lalàm-pifidianana mahakasika ny ben’ny tanàna, hoy izy. Hitantsika tsara fa nahemotry ny fitondràna elabe mihitsy ny dingana mikasika ny fifidianana, noho izay politika nomaniny izay. Nisy tamin’ireo kaominina teo aloha aza no tokony naverina ny fifidianana tany aminy saingy tsy naveriny mihitsy fa navelany niasàna tamina alalana PDS fotsiny. Izay tsinona no ahafahan’ny fitondràna ankehitriny manindry ilay ben’ny tanàna mitantana na PDS mitantana amin’ireny kaominina ireny. Minainaina foana amin’ny fahamafisan’ny fiainana hatramin’izay ny vahoaka, indrindra, nanomboka ny taona 2019 no ho nankaty. Miha ratsy sy miha mavesatra andro aman’alina ny fiainana eto. Tsy zakan’ny karaman’ny olona ny vidim-piainana nefa misy fanapahan-kevitra raisin’ny fitondràna izay miseho fa manan-karena ny fitondràm-panjakàna ary ny vahoaka no tsy faly fotsiny amin’ilay filazàna hoe mahantra sy ny toy izany. Hitantsika tsara izao fa manomboka mitroatra ny olona ary mampiasa ny heriny. Ny zandary koa miseho ho anisan’ny hoe miaro ny andrim-panjakàna na ny filoham-pirenena. Ambarany foana moa izay hoe mpanatanteraka baiko ry zareo. Fantantsika nefa fa tokony hoe ho an’ny tanindrazana sy ny lalàna no iasan’ny zandary. Lasa ohatran’ny fampanginana izay rehetra te hitroatra izany ilay baiko satria hono hoe tsy tia korontana intsony ny vahoaka malagasy. Fantany tsara tsinona fa ny korontana nataony ny 2009 dia nampitondra faisana ny vahoaka malagasy, nahitan’ny vahoaka malagasy izao fahoriana sy fahasahiranana be mangitsokitsoka izao. Fanagiazana ny fahefam-panjakàna sy ny fahefana tsy ho an’ny hafa intsony nefa no io lasa mahatonga azy hanjary hampiasa hery io. Lasa mipetraka noho io lalàna efa tamin’ny fanjanahantany izay hiafenan’ny mpitondra io ny maha tsy maty manota izay mitondra rehetra eto Madagasikara na iza na iza mitondra eo. Tsy nanova an’io lalàna io ny mpitondra teo aloha satria tsapany hoe niaro tanteraka azy tokoa ilay lalàna. Mitovy tsy misy hafa tamin’ny taona maro lasa rehetra na 1972 na 1991 ny zava-misy ankehitriny. Na ilay hoe «Na hiodina im-pito ny mandan’ny Jeriko!» na ny hoe «Tsapao aloha ny herinareo!» dia io izany izao ny hoe «Tsy hisy vahoaka haharesy mpitandro filaminana izany!». Ady izany resahany izany ka fara-hery io asehon’ny fitondràna io izany. Manome fampahafantarana hahatonga ilay vahoaka hitroatra izy no dikan’izay ary io vahoaka mitroatra io. Aleony maty tsy mihinan-kanina any anaty ala toy io any Vatomandry io toy izay mbola hiara-hiaina amin’ilay fitondràna amin’ny fiainana entin’ilay fitondràna amin’ny tsindry vorika mahazo azy eo. Miroso any amin’ny fitadiavana ny olona hanongana azy ilay fitondràna satria mandrefy ny mpanohitra hoe tsy mahavita manongana anay ianareo satria mitady mpanohitra hanongana azy mihitsy izany ilay fitondràna, hoy hatrany ny FLN!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT