Front de libération national

«Mahery ny fanoherana matoa mandrefy azy ny fitondràna!»


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Tsy marefo izany mihitsy ny fanoherana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Raha izany no marina, hoy ny filohan’ity antoko ity, Iada Jean Pierre, dia toy ny tsy misy izy izany eo anoloan’ny fitondràm-panjakàna. Matanjaka sy mahery ny fanoherana matoa mandrefy azy ny fitondràna! Hitany fa efa manozongozona ny toerany, ny fitondràny, ny fahefany ary mila hampirodana azy mihitsy. Mba hahafahany milaza izany fa misy fanonganam-panjakàna na misy fikasana hanongana fanjakàna dia tsy maintsy ataony izay fihantsiana izay mba hahafahany manenjika ireo olona manohitra ka ao anatin’izany hery sy tanjaky ny fanoherana izany no mety hampirodana ny fanjakàna. Ny filazàna fa hoe fanakambanana na fanambarana ny herin’ny mpanohitra dia tsy fanambarana ny mpanohitra ho fikambanana iray na vondrona iray fa fampitoviana ny fotokevitra ijoroana, ny lalana izorana mba hahafahana mametraka mazava ny tiana takiana sy ho tonga amin’ny firenena. Tsy misy na dia iray aza, na mpanohitra, na mpanohana fitondràna ka te hanimba na hamotika an’i Madagasikara no tanjona. Eo amin’ilay petra-kevitra na politika ampiharina no mety maha rendrika na maha potika ilay firenena. Tsy midika velively hoe nalemy izany ny mpanohitra dia mitambatra fa ho firaisankina satria izay iray no basy. Tsy tokony afangaro mihitsy ny hoe fanoherana na «opposition» sy ny hoe mpanohitra na «parti contre». Samihafa koa tsinona no tanjon’ireo. Ny fanoherana eto no resahintsika dia izay manana tanjona hampizotra ny firenena anya mina politika itondràna ny tany sy ny fanjakàna ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Ny fanapahan-kevitra raisina sy ny asa rehetra tanterahina izany dia tokony hifanaraka amin’izay tombontsoam-bahoaka izay ary mifanentana amin’ny zava-misy ankehitriny. Mifanentana amin’ny adim-piainana ankehitriny, amin’ny vidin-javatra miakatra misongadina be ankehitriny, ny tsy fahafahan’ny olona maro manondrana ny vokany any ivelany toy ny lavanilina, ny drakaka. Izay fanapahan-kevitra mankany amin’ny tombontsoam-bahoaka izay no tokony aroson’ny fanoherana. Fanoherana tsy mitsahatra andro aman’alina maneho ny heviny amin’ny zava-drehetra tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka nefa raisin’ny fitondràm-panjakàna ny fanapahan-kevitra mikasika izany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT