Manana ny asany voatondro mazava tsara ao anaty lalàmpanorenana ny atao hoe filoham-pirenena,
hoy ny antoko politika FLN na Front de libération national. Isan’ny asa tokony ataony tokoa, hoy ny filohan’ny FLN, Iada Jean Pierre, ny mitsidika ireo havana rehetra traboina. Tsy misy olana ny fandehanany any, hoy izy, fa tokony ataony bebe kokoa noho ireny aza ny fitsidihany ny malagasy satria tsy misy malagasy tsy traboina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tena tratran’ny fahantrana tanteraka izao ny malagasy. Tsy mety miova mihitsy amin’ny toetrany ilay filoham-pirenena. Lasa toetran’ilay filoham-pirenena ny manalika olona! Taona maro lasa izy izay no niteny hoe mivovoa ny mpanohitra ary efa nazavaina taminy fa ny alika no mivovoa. Nohamafisiny tamin’izy nitsidika tany atsimo nefa fa misy ireo olona mivovoa dia ireo tsy mampiasa ny jiro nomen’ny fitondràna. Izay rehetra tsy miaraka aminy na tsy mandray zavatra avy aminy izany dia heritreretiny sy ampitoviany mihitsy amin’ny alika. Ny olona traboina dia toy ireo havanao traboina ihany ka anjaranao ny mamangy azy. Izay kely voatsirambin’ny tanana no filaza iny famangiana entinao iny fa tsy hoe izaho manome be fa tsy iray kilao na iray kapoaka fotsiny. Tsy misy olona mamonjy traboina ka mirehareha amin’ny fanampiana ataony. Misy praogramam-pirenena mihitsy hanampiana ny olona tra-doza amin’ny loza voajanahary. Ao amin’ny BNGRC izany ka tokony ny BNGRC no mizara azy. Atrehin’ny filohan’ny repoblika izany, tsy olana, fa ny filazàny fa avy aminy ilay fanampiana dia tokony ho porofoiny tsara mihitsy aloha hoe tena avy aminy tokoa izany fa tsy avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany na mpiara-miombon’antoka hafa satria lasa misy fandatsana hoe izy irery no tena mahavita azy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.