Frérot L’homme noir

«Tsy hanaiky aho raha io


  • Talata 12 Aogositra 2025

bontobontolonareo OMC io no ataonareo amiko!»

Vita ny fitsaràna mikasika ny firotsahan-kofidiako ho ben’ny tanàna tao Toliara, hoy ny kandidà natolotry ny Pro Siteny tao an-toerana, Frérot Ralaivahiny na Frérot L’homme noir. Noresen’ilay mpampandresy isika, hoy izy. Tsy resy aho no dikan’izay ka hiverina any amin’ny vahoaka nifidy ahy tsy ho ela hanao tatitra. Mpanao politika ny tena. Mpisehatra amin’ny iraisampirenena. Betsaka ny hanontrona. Mampitandrina ny OMC ao Toliara aho. Tsy azo sakantsakanana aho rehefa manao zavatra ao satria amin’ny taniko aho ary tsy hanongam-panjakàna. Mampitandrina an’ilay tia mihantsy olona! Aza mihantsy vahoaka fa izahay tsy hanongam-panjakàna! Rehefa tonga hifampitafa amin’ny vahoaka ao i L’homme noir sy ny delegasionina miaraka aminy dia aoka re mba omena malalaka! Tsy hanaiky aho raha io bontobontolonareo OMC io no ataonareo amiko! Hamaly aho! Tsy tokony hafampàna ny toe-draharaha raha tsy misy baiko midina ny raharaham-pitsaràna. Tokony andeha araka ny tokony izy izany. Ny mety hahafampana azy dia mety miainga amin’ilay olona mpanome baiko fa raha tsarainao amin’ny rariny sy hitsiny io tokony hangatsiatsiaka. Raha io fomba bontolonareo io no atao mahazatra dia tsy mahagaga raha hafana ny toe-draharaha satria ho maro ny «foyer de tension» na sarom-bilany mitambatambatra. Misy resaka oniversite ao, Base Toliara ary aza adino fa ny mpomba anay ilay malahelo koa rehefa hahita an’i Elia Rabevahiny hanaovana tsindry hazo lena mety ho tonga ho azy hanaraka ny vahoakan’i Elia ao koa! Mandeha ho azy izany. Izahay mitambatambatra tsy ho voafehin’olom-bitsy. Vitsy ny mpitondra fanjakàna fa ny vahoaka no maro an’isa. Raha mbola azo atao ny manao ny rariny sy hintsiny dia izay atao eto amin’ny firenena! Aza rangitina io vahoaka efa leon’ny fiainany io! Vahoaka efa mahantra izao tsy hahazaka tsy rariny, hoy hatrany ity mpanao politika ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT