Kandida loholona lohalisitry ny OBAMA (Olom-Baovao Malagasy) ao Toliara i Tinasoa Freddy na Freddy OBAMA araka ny ahafantaran’ny maro azy.
Isan’ireo 33 mianadahy neken’ny CES II hirotsaka hofidiana filoham-pirenena tamin’ny 2013 ity mpisolovava ity. Raha safidim-bahoaka nivantana no nosedrainy tamin’ny filoham-pirenena fihodinana voalohany, ka hazoany isam-bato 9 652 (0,21%) dia hisedra ireo mpifidy vaventy indray izy amin’ny 29 desambra 2015, hanatanterahana ny fifidianana Loholona. Nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina ary mitarika lisitra any Toliara koa ny senatera isany taloha, Robert Razaka sy Soja Jean André na Kaleta.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.