Politique

FRDL «Tokony hiandry ny tetiandron’ny Troika vao manapa-kevitra»


  • Talata 13 Septambra 2011

Mba hamonjena ny firenena ka hamaranana izao krizy izao izay efa potika nandritry ny telo taona dia zo sy adidin’ireo mpanao politika ny fandavana ny lasa sy ankehitrny ary ny ho avy feno jadona.

 Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, hoy ny antoko FRDL. Tsy an’ny mpanao politika irery izy fa an’ny vahoaka ao aminy, azo hakana lesona, mendrika ary hatokisana. Manoloana izany indrindra dia miantso fahavononana avy amin’ireo mpitarika antoko politika rehetra tsy an-kanavaka sy ireo masoivoho vahiny i Ambroise Ravonison, filohan’ny FRDL mba hametraka ho laharam-pahamehana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, ka ao anatin’izany ny fametrahana ny tenierana, ny tsy fiandaniana, ny fahatokisana amin’ny fananganana ny tetezamita vaovao sy ny ho fandraisan’ireo kandida rehetra anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eo hisorohana ny mety ho sahotaka. Manoloana ny fahatongavan’ny solontenan’ny Troika eto moa dia heverin’ny FRDL fa tokony hofantarina tsara aloha ny foto-dian’ireo delegasiona tonga eto, ny tetiandrony mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra.

Nangonin’i Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT