Politique

FRANTSA SY NY AMBASADAORONY


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Ny ambasadaorony aza moa tsy hain`ise valiana akory, F`indro ise toa miolakolaka amin`ny teny tsy valiana. Ka ahoana no inoana fa ise dia mpanamory Mbola afaka hibaiko sy hifehy ny familiana ?



Ny ambasadaorony aza moa tsy hain`ise valiana akory,
F`indro ise manodin-dresaka , efa mila ny hitsoaka.
Ka tsy ise ve `lay lazaina fa hoe “voky dia natory” ?
Tsy misaina kely akory ny amin`ny fahoriam-bahoaka !

Ny ambasadaorony aza moa tsy aiza f`eto Gasikara
No indro sahisahy miteny sady toa manangana ady.
Nefa ise toa mody maty sy tsy manana ambara .
Sa dia efa novidiany sy efa lasany ambongady ?

Ny ambasadaorony mazàna , arotsany amin`ny politika ,
Dia alefany hitsapa ny ao am-pon`ny Malagasy.
Saingy indrisy , tsy miteny , moana ny mpitondrantsika !
Efa fandreseny izany , na dia tsisy taratasy !

                DADAN`I ZINA  (07-11-15)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT