Foutsie Tsotsy

Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana


  • Talata 19 Septambra 2023

Niakatra fampanoavana omaly I Sylvia Randriantsotsy na Foutsie Tsotsy taorian’ny fampanantsoana sy nitazonan’ny

mpitandro ny filaminana azy nanomboka ny takarivan’ny zoma lasa teo. Voalaza moa tamin’izany fa nampanantsoina tao amin’ny Toby Ratsimandrava, ary tao no nalaina nentina teny Fiadanana. Naharitra ora 4 tany ho any ny fihainoana azy tao amin’ny fampanoavana omaly, raha ny fanamarihana re. Voalaza fa nanda hatrany ny fiampangana azy ho nanao fiantsoana ny tafika hikomy na “incitation de révolte militaire” I Foutsie Tsotsy fa fanehoan-kevitra amin’ny handraisana andraikitra. Taorian’ny fihainoana azy, navotsotra ny tenany, saingy napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana na « sous-contrôle judiciaire », ka amin’ny 20 oktobra izao didim-pitsarana momba azy. Tsara ny manamarika fa sesilany antso avo, eny fa hatramin’ny fampitandremana aza mikasika iny fitazonana iny sy ny raharaham-pitsarana azy. Isan’ny nampiaka-peo ireo avy any amin’ny Sud Est izay naneho, fa handray fepetra raha toa ka misy ny fandetehana ny zanak’izy ireo. Naneho ny fanohanana azy mivantana na ankolaka ihany koa ny kandida ho filoham-pirenena sasany eo anatrehan’ny endrika fampitahorana sy fanenjehana ny mpaneho hevitra, kanefa betsaka ireo raharaha goavana iniana hikipiana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT