Politique

Fotodrafitrasa manara-penitra Atsipin-dRajoelina amin’ny minisitra ny baolina


  • Zoma 11 Novambra 2011

Hifanilihana rehefa taraiky tsy mety tanteraka ireo fampanantenana marobe nataon’ny filohan’ny FAT efa roa taona mahery izao.

 Nofohazin’ity farany mantsy ny resaka ny alakamisy teo raha nandray ny federasiona malagasin’ny savate boxe teny Ambohitsirohitra izy. Maro be tokoa raha tsiahivina ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena marolafy nampanantenaina ary mijanona ho fampanantenana hatramin’izao. Anisan’izany ireo kianja manara-penitra sentetika misy gradin, ireo kianja mitafo, dobo filomanosana, tempolin’ny rugby … Nisy ireo efa nametrahana vatofehizoro sy voafaritra hatramin’ny fotoana faharetan’ny asa sy ny fotoam-pitokanana. Ankehitriny ny mpampanantena dia manipy ny baolina any amin’ny ministera sy ireo teknisianiny. “Misy ny tomponandraikitra tokony hijery ireny fampanantenana sy laminasa ary tetikasa napetraka ireny… Efa nisy ny tolo-barotra ary efa nisy namaly izany…” ka mety hisy tohiny ihany ve sa …? Babo tokoa ny fon’ireo mpanao fanatanjahantena sy tanora tsy te hiditra resaka politika vao nandre ireny fampanantenana ireny saingy…indrisy.

Hanentsenana ny tsy fahavitana ireo fampanantenana samihafa indray izao ny famonjena ireo amin’ny fotoana farany ireo taranja tena mila vonjy maika, rehefa tapi-dalan-kaleha tsy nahazo izay nilaina teny amin’ny ministera, hoe “eny sisa no lalana mahavonjy!”.

Raha ny fampanantenana farany izay nahitana minisitra maro nidina nametraka vatofehizoro dia ny fanorenana fotodrafitrasa marolafy any amin’ny oniversiten’i Mahajanga izao dia resaka ady tany indray no mampalaza io toerana io fa tsy tsy fanombohany na fandroson’ny asa fanorenana. Na ny daty efa-bolana noventesina hahavitan’ny asa aza efa dilan’ny ela sy ny ela. Zary lasa sompitry ny famonjena amin’ny fotoana farany mihitsy Ambohitsirohitra ka tsy vitsy ireo lavatanana no tafita ary tsy vitsy koa anefa ireo voatery mionona amin’ny zava-misy rehefa voailika avy tetsy Ambohijatovo. Ka iza no afaka mahazo dia iza no tsy mahazo? Hoy moa Rajoelina hoe “raha ny sitrako sy ny tadiaviko dia tsy miakatra aty amiko intsony fa eo anivon’ny ministera dia voavaha”.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT