Fotoana tokony hanolorana vahaolana izany izao

«Resaka lojika fa tsy fanonganam-panjakàna no hitambarana»


  • Zoma 10 Janoary 2025

Resaka lojika fa tsy fanonganam-panjakàna no hitambaran’ny herivelona rehetra, hoy ny filohan’ny ACS

na ny Firaisankinan’ireo filankevitra ambonin’ny tetezamita, Pr Ralison Roger. Ho hita eo, hoy izy, izay ho vokany avy eo. Raha misy tonga saina hoe toa tsy mety intsony tokoa izany zava-misy eto amin’ny firenena izany fa andao hiaraka amin’ireto, inona no olana? Tamin’ny fotoan’androny nisy izany Herivelona Rasalama izany. Nisy izany vondrona manohana an’i Andry Rajoelina izany. Teraka ho azy eo izany, hoy hatrany ny tenany. Efa nisintona lakolosy izahay teo anivon’ny Randrana sendikaly, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ity sendikan’ny mpiasa iray ity, Barson Rakotomanga, hoe ny raiamandreny am-panahy rehetra manao ireny fanambaràna ireny. Ny politika efa minainaina amina resaka fifidianana, hoy izy. Ny Transparency international aza nanentana ny rehetra tsy hanaiky ny valim-pifidianana. Isan’ny nahatonga anay maro anatin’ny KIMM na Komity iombonan’ny mpiasa malagasy izany satria izahay mahita hoe mankany amina risikana krizy lavabe eto amin’ny tany sy ny firenena. Isika mahalala hoe ny miaro no tsara indrindra noho ny mitsabo. Izay no antony hiantsoana ny rehetra na raiamandreny ara-panahy na manam-pahaizana na mpanao politika na iza hoe andao aloha hivory, hivondrona dia amin’izay fotoana izay mametraka hoe inona no paikady hamahana ny olana? Efa ny raiamandreny am-panahy mihitsy izao no mampiaka-peo. Efa tena mafy ny hafatra omen-drizareo. Fotoana tokony hanolorana vahaolana izany izao. Rehefa mipoitra ny vahaolana isorohana krizy dia mazava ho azy fa tsy maintsy hanatona ny fitondràm-panjakàna. Handray izany moa ny fitondràm-panjakàna tsara. Tsy handray izy dia ho hita eo ny ho tohiny, hoy hatrany ireto herivelona ireto.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT