Fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna

Neken’ny depiote ny fanovana ho 5 taona


  • Zoma 15 Desambra 2023

Nolanian’ny Solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana omaly

14 desambra 2023 tety amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Tolo-dalàna laharana faha-02-2023/PPL/Sénat manova ny tovan’ny Lalàna n°2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny Lalàna n°2014-020 tamin’ny 27septambra 2014 mahakasika ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana izay natolotr’ireo Loholona isany Tsiebo Mahaleo Richard sy Andrianandrasana Hajaniaina Tahina.
Nohazavain’izy ireo niaraka tamin’ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin fa natao izao tolo-dalàna izao noho ny fangatahan’ireo olom-boafidy eny anivon’ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ny amin’ny hanovàna ho dimy taona ny faharetan’ny fotoam-piasan’izy ireo raha toa ka efa-taona izany amin’izao fotoana izao ka hampitoviana ny fotoam-piasan’ izy ireo tahaka ny an’ny olom-boafidy izay mpiara-miasa amin’izy ireo akaiky ka hampifanarahana ny vina-pampandrosoana amin’ireo mpiara miasa ireo, izany hoe hatao 5 taona, raha toa ka 4 taona amin’izao. Tsara moa ny manamarika ny antenimierandoholona dia voafaritra fa mpiahy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Natao ihany koa ny fanovana mahakasika ny “scrutin de liste” ka izay lisitra nahalany ireo ben’ny tanana ihany no atao mpanolon-tsain’izy ireo mba tsy hiteraka disadisa intsony amin’ny fiaraha-miasa raha toa tsy mitovy ny loko politika ka mety hanakana ny fampandrosoana ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany ny fanazavana. Azo iadian-kevitra ihany io rehefa zohiana. Amin’ny lafiny iray dia mety hosokajiana ho manohitra ny fandrosoana tokoa ny mety ho fitsivalanan’ny mpanolontsaina avy amin’ny antoko ivelan’ny nahalany ny ben’ny tanàna eo anatrehan’ny fanapahan-kevitra momba ny fitantanana ny kaominina. Zava-dehibe tokoa raha tena ho an’ny fahafaha-manatanteraka ny fampandrsoana fa tsy kajikajy politika. Amin’ny lafiny iray hafa kosa, dia arofanina eo amin’ny fitantanana ary endriky ny demokrasia ny fisian’ny fifandanjan-kery eo anivon’ny mpanolontsina kaominaly sy monisipaly. Raha ny vinavinan’ny CENI moa dia eo anelanelan’ny volana martsa sy may 2024 no hanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna sy solombavambahoaka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT