Forum parlementaire SADC

Nofoanana tampoka ny


  • Alakamisy 20 Aogositra 2026

fandraisan'i Madagasikara azy...

Nofoanana tampoka ny Forum parlementaire SADC (FP-SADC) fivoriana feno faha-59, izay tokony hatao eto Madagasikara. Ity hetsika ity, izay tokony hahavory solontena avy amin’ireo Parlemanta ao amin’ny firenena 16 mpikambana ao amin’ny SADC (Communauté de développement de l’Afrique australe), tokony hatomboka amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 22 aogositra. “Firenen-kafa indray no handray ny Forum tsy ho ela”, raha ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Antenimierampirenena, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly. Tsy mbola navoakan’ny Antenimierampirenena ny antony nahatonga ity fanafoanana ity. Na izany aza, efa volana maro izay no nanokana ny ankamaroan’ny asany amin’ny fanomanana ity fivoriana izay tokony haharitra herinandro manomboka ny 22 ka hatramin’ny 29 aogositra io andrim-panjakana io. Ny fanatanterahana ny Forum mihitsy aza no nambara ho antony nanemorana ny fivoriana manokana tokony hatao amin’ny tapaky ny volana septambra, izay efa nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra tamin’ny alalan’ny didim-panjakana. Hatramin’ny volana desambra 2024, i Madagasikara no mitarika ny Forum parlementaire SADC. Taorian’ny fe-potoana nitondran’i Justin Tokely, filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, dia i Siteny Randrianasoloniaiko no nandray ny toeran’ny filohan’ny Forum nanomboka tamin’ny volana novambra 2025. Asa izay antony fa raha ny zava-nisy hatramin'izay dia nandray anjara feno tamin'ireo raharaha iraisam-pirenena mahakasika azy ny tao Tsimbazaza. Antony ara-diplaomatika sy Iraisam-pirenena sa lamina manokana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT