Politique

Force Mixte Médiane Miantso ny rehetra hifandinika aminy


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Efa toa zary lasa fampihavanana sadasada ny tian-kambara etoana. Amin`izao fotoana mivaivay ny itafatafana ary fitenin`ny fiaraha-monina no ifanakalozana.

Manoloana ny disadisa politika izay mbola tsy ahitam-bahaolana ankehitriny dia mijoro ny fiombonana antoko sy fikambanana ary fiarahamonim-pirenena izay tsy manana fironana, ka nanangana ny Force Mixte Médiane na FMM. Antsoina ny antoko sy fikambanana politika, ny firaisamonina sivily, ny mpitondra fivavahana… mba hiara-kikaondoha hametrahana paikady matotra amin`ny teny ierana ho fanarenana haingana sy ifotony ny fiainam-bahoaka sy ny firenena hoy ny FMM. Nanambara Andrianirina Max Fabien, mpitondra teny fa handray andraikitra mivantana amin’ny alalan’ny fanomezana tolo-kevitra amin’ny fampiharana asam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy izy ireo. Voazanaka ao anatin`izany ny fiainam-pirenena Malagasy ka mitaky fanovana tanteraka ny fifandanjan-kery misy ankehitriny ary efa miroso amin`izany ny Malagasy. Tsy maintsy sakanana haingana sy amin`ny fomba hentitra ny firaisana tsikombakomban`ny mpitondra Malagasy sy ny vahiny, hoy ity mpitondra tenin`ny FMM. Ny fifidianana dia natao amboletra kanefa ny iraisam-pirenena no tompon`andraikitra nanao an`izany. Tsy tokony hidiran`ny vahiny kosa ny resaka eto amintsika fa toa tsy nisy vahaolana nentin`izy ireo. Miantso kosa ny fitondrana Andrianirina Max Fabien fa tokony hanana fitondrana fanetren-tena, hananana fahadiovam-po mba hifampidinika amin`ny FMM izy ireo satria ity fikambanana ity no fitambaran`ireo Malagasy tsy miteny araky ny fanazavana. Tsy ilaina kosa ny iraisam-pirenena satria toa fifidianana amboletra no nataon`ny iraisam-pirenena hatramin`izay. Tsy mahavaha olana intsony izany SADC izany. Ny fijoroan’ny FMM dia hitondra hery vaovao amin’ny famahana ny krizy ary koa dia handray anjara feno, ka hanampy sy hampitombo ny hery amin’ny fitadiavana izay vahaolana mahomby. Hampitohy ireo fihavanana tapaka, fifandraisana ary koa fankahalana ho zary fihavanana ny fikambanana ankehitriny. Amin’izy ireo dia vitan’ny Malagasy ny mifampiresaka sy mifanaja ka henatra ho an’ny firenena indray ny mbola hitondrana ny raharahantsika any ivelany. Tsy mankahalala na manohitra ny fitakiam-bahoaka kanefa ory ny Malagasy ary ao anatin`ny fahantrana tanteraka tao anatin`ny 50 taona. Mitaky fanovana sy fiainam-baovao ny Malagasy. Tsy omen-tsiny ireo izay midina sy mirodorodo eny amin`ny kianjan`ny 13 mey ny vahoaka Malagasy noho ny fahatrana mianjady, hoy hatrany ny fanazavana.

 


 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT