Politique

Fonjaben’i Toamasina : Gadra 10 atahorana nafindra any Tsiafahy


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Ny Talata teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no nalefa any Tsiafahy ireo gadra 10 mirahalahy tao amin’ny fonjan’Ambalatavohangy, Toamasina. Ny EMMO-Reg Atsinanana sy ny fiadidian’ny fandraharahana ny fonja Toamasina ary ny fitsarana, izay miahy ny fonja, no nanatontosa izao famindrana gadra izao.

 

Voaheloka mandra-pahafaty
Araka ny fanangonam-baovao teo anivon’ny fonjaben’i Toamasina dia ireo gadra tena atahorana noho ny heloka vitany sy ny fomba amam-panaony ary ny toetrany tao Ambalatavoahangy ireto nafindra toerana ireto. Voaheloka higadra mandra-pahafatiny sy mihoatra ny 20 taona an-tranomaizina avokoa izy 10 mirahalahy nalefa any Tsiafahy ireto, izany hoe tafiditra amin’ny resaka vonoan’olona sy halatra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana ary fikambanan-jiolahy. Raha ny mikasika azy ireo amin’ny antontan-taratasy eny amin’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana dia anisan’ireo jiolahy mpanakorontana sy tsy mampilamina ny tanàna misy azy izy ireo ary tafiditra amin’ny lisitra maintin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mihitsy noho  izany heloka bevava fanaony matetika izany.
Fikasana hitsoaka ny fonja
Manana vaovao ny mpitandro ny filaminana fa mikasa ny hanakorontana ny ao anaty fonja sy hanatanteraka fitsoahana faobe ny fonja ireto 10 lahy nafindra toerana ireto. Efa misy ny drafitra maty paika hitsoahana ny fonja nomanin’izy ireo, izay efa nanomboka ny faran’ny taona teo, ary mbola nitohy tamin’ity fiandohan’ny volana janoary ity. Raha ny fantatra ihany koa dia ireo efa malaza mpitsoaka ny fonja ireto 10 mirahalahy ireto, ka anisan’izany i Bolo izay efa nitsoaka ny volana janoary tamin’ny taona lasa dia tratra ary efa nafindra tany amin’ny fonjan’Ambatolampy. Teo koa i Omar sy Bob izay migadra noho ny raharaha famonoana ny mpamilin’ny SKT izay efa nitsoaka ihany koa ny taona lasa ary efa nafindra fonja tany Ambatolampy ihany koa.  Nalefa any Tsiafahy koa i Rasta sy Baby izay mpitsoaka ny fonja tao Toamasina tratra hatrany ary mpiara-dia tamin’ny fikomiana nataon’Atoa Zakahely Boniface ny volana janoary 2009, ary efa nafindra tany Arivonimamo izy ireo tamin’izay, ary i Be Clovis izay nitsoaka ny 11 desambra 2009 teo niaraka tamin’ny ireo 15 lahy niporitsaka ny fonja tao Toamasina nefa tratra teo am-pivoahana ny fonja niaraka tamin’ireo namany 3 hafa, ankoatra ireo 11 mirahalahy mbola karohina hatramin’izao.
 
RTT sy Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT