Fomba vaovao fanaovana politika

Mangarahara no sady manara-dalàna hatrany


  • Talata 30 Aprily 2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Antananarivo I ho an'ny kolektifa an'ny malagasy tarihan'i Toavina Ralambomahay ( humaniste et ecologiste) sy Anja Naivohanitriniaina (MTS). Toy izany ihany koa ny mpitambola na trésorier. Eto no ahitana fa tsy mora ny toe-draharaha tsy maintsy atrehina satria samy tsy maintsy manana mpitam-bola izany na ny antoko, na ny kandidà. Tsapa ihany indraindray fa toa korontana be, sarotra sy miodinkodina be ny lalàna, na izany aza dia arahina. Noho izany rehetra izany dia nametraka fehinkevitra hanovana lalàna ny humaniste et ecologiste ka nanatitra ny antontan-taratasy momba izany teny amin'ny foiben'ny CENi Alarobia amboniloha. Efa neken'ny CENI moa ilay soson-kevitra nentin'io antoko io tamin'ny alalan'i Jimmy Andriamamy Tiana, mpanolotsain'ny tanàna ao Bemasoandro sy Toavina Ralambomahay, mpanolotsaina eo anivon'ny kaominin'Antananarivo renivohitra . Voalaza ao ny hoe tokony atao eo amin'ny bileta tokana ny sarin'ny kandidà ben'ny tanana sy lohalisitra mpanolotsaina satria samy kandidà. Setrin'izany angamba nol naneken'ny CENI hoe atao eo amin'ny bileta tokana avokoa ny sarin'ny kandidà solombavambahoaka miisa 2. Farany dia mangarahara ny resaka ho an' ireto kandidà ireto satria dia nambara ampahibemaso koa fa 10.040.000 Ariartno voaangon'ny humaniste tamina tsipaipaika an'olon-tsotra ka ny kolektifa an'ny malagasy , anisan'izany ny antoko ARB no nanampy tamin'ny fandoavana ilay anto-boka 20 tapitrisa ariary.
Nangonin'i RTT
Légende : Fanolorana ny anaran'ny mpitam-bolan'ny kandida teny amin'ny OVEC
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT