Politique

Foloalindahy Misy zavatra hafahafa kotrehana indray ?


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Mandeha be ny resaka hatramin’ny faran’ny herinandro teo fa misy ireo vondrona manamboninahitra tsy mankasitraka velively ny fomba fampiharana ilay sori-dalana, sy ny nanilihana ny foloalindahy tsy afaka ny nanolotra kandida praiminisitra.

 Ahiana, araka ny tsiliantsofina re, ny hanaovanan’ireto vondrona manamboninahitra ireto fanehoan-kevitra tahaka ny nataon-dry Jeneraly Ndriarijaona sy lietna kolonely Charles sy ny namany teny amin’ny BANI Ivato ny 17 novambra 2010 lasa teo. Araka ny tsiliantsofina ihany dia tsy eken’izy ireo ny famelana malalaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hiverina eto Madagasikara sy ny fomba hampiharana ilay sori-dalana izay manome vahana ireo mpanohitra ary mampihena ny fahefan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, araka ny fahitan’izy ireo azy. Tsy mbola mazava tsara aloha hatramin’izao na fanehoan-kevitra fotsiny na tena misy eritreritra fakana fahefana no mety hataon’ity vondrona manamboninahitra ity, fa dia izay aloha ny resaka mifamoivoy eto an-drenivohitra efa ho andro maromaro izao.

Amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana krizy tahaka izao moa dia tsy hisy mihitsy ny zavatra hahafa-po ny tsirairay fa marimaritra iraisana hatrany no tsy maintsy ampiharina. Fa ny mahagaga ny mpanara-baovao amin’ity raharaha ity dia tsy sasatry ny namerimberina ireo lehibe ao amin’ny foloalindahy fa tandroka aron’ny vozona izy ireo, tsy manao politika ary tsy manohana na manohitra ankolafy politika. Ny fihetska tahaka izao anefa dia azo adika avy hatrany fa malahelo seza ny be galona sasany ary mieritreritra mihitsy fa tokony handray anjara mavitrika ao amin’ny fitantanana ny tetezamita ny miaramila sy ny zandary. Ekena tokoa fa maro amin’ireo manamboninahira malagasy no manampahaizana amin’ny sehatra maro, saingy efa voaporofo hatramin’izay, raha ny eto amintsika no resahana fa tsy mety ilay foloalindahy miditra ao anaty politika. Tsy resaka hafa fa tena politika tanteraka ny zava-misy ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao koa noho izany rariny sy hitsiny raha ny mpanao politika no mikaon-doha sy mikaroka ny vahaolana. Afaka manome ny heviny ny foloalindahy na ny herivelona hafa, fa ilay hoe miditra anaty rafitra politika, kosa aloha araka ny fahitan’ny maro azy dia tsy mety amin’ny miaramila malagasy e ! Hoy ny raim-pianakaviana iray momba ity resaka ity manao hoe : «tahaka ny tsy haneken’ny foloalindahy ny hametrahana sivily, na vehivavy ho minisitry ny fiarovam-pirenena ihany no tsy mbola maha mety ny hitsofohan’ny foloalindahy amin’ny raharaha politika». Manampy izay dia ny tantara tsy fanadino ary averimberina eto foana fa efa nomen’ny filoha Marc Ravalomanana ny foloalindahy anie ny fahefana e ! Fa ireo manamboninahitra notarihan-dry jeneraly Ranto Rabarisoa filohan’ny CMDN ankehitriny sy ny vice Amiral Ramaroson Hippolyte no namindra ny fahefana tany amin’i Andry Rajoelina. Koa mahagaga ihany ny fihetsik‘ireo be galona sasany ireo manohitra indray ny sori-dalana sy ny fampiharana azy ary mitady hanao zavatra hafahafa hanakorontanana indray ny saim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT