Politique

Foloalindahy Manomboka andrenesam-peo indray


  • Alakamisy 27 Oktobra 2011

Raha nangingina sy nipirimpirina ny teo anivon’ny foloalindahy taorian’ny fihaonany tamin’ny iraka miaramila teo anivon’ny SADC teto roa herinandro lasa izay, dia manomboka andrenesam-peo indray tato anatin’ny 72 ora izao.

 Fivoriana atsy, antsoina mivory aroa. Misesy mihitsy na tsy misy fanambarana ofisialy mivoaka toy ny fanaony teo aloha aza. Na izany aza dia mandeha ny resaka, amin’izao ankatoky ny fanendrena praiminisitry ny marimaritra iraisana izao fa tsy mipetra-potsiny ny eo anivon’ny foloalindahy, fa manao tsindry samihafa mba hitazonana amin’ny toerany ireo eo amin’ny fibaikoana rehefa nailika tsy ho mpifaninana ho praminisitra ny miaramila. Herintaona mahery no teo amin’izany rahateo ny jeneraly Camille Vital kanefa tsy nahazoana fankatoavana, ary tsy nahavita nampifanatona ireo mpifanandrina fa nandokadoka an-dRajoelina indray aza no nataony.

Ny fisisihana hanendrena miaramila ho praiminisitra dia mampivandravandra fa izy ireo izany no tena sakana sy te hanimba ity firenena ity. Mikasika ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana indray dia tsikaritra avy amin’ny loharanom-baovao samihafa fa tsy mametraka olana amin’izany ny ankamaroan’ny mpitandro ny filaminana fa ireo be galona izay niaraka taminy sy namadika azy no matahotra ny hiverenany satria menatra fa ny ambin’izay resaka fotsiny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT