Politique

FOLO TAONA


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Tandra vadin-koditra amin’ny tantaram-pirenena ny Gazety Tia Tanindrazana, izay feno folo taona katroka amin’ity anio ity.

 

  Ny 09 septambra 2009 tokoa mantsy, mbola tao anatin’ny krizy politika mavaivay teto amin’ny firenena no namoaka ny laharana voalohany ny gazety. Nisafidy ny teny filamatra : “Sahy mijoro ho an’i Gasikara” ny Tia Tanindrazana. Na ny anarana nosalorana na ny teny filamatra nosafidiana dia mafonja sy mavesatra. Raha any amin’ny sehatry ny finoana dia toa hazo fijaliana mihitsy. Tsy nitarain-tana-miepaka, tsy nitsitsy voambolana ihany koa fa tena nampiseho isan’andro fa azo atao tsara ary ilaina ny miteny mahitsy sy araka ny zava-misy marina. Niezaka nampiseho koa anefa fa mbola maro ny fikarohana tsy maintsy atao hahatongavana amina tanjona iray dia ny fanomezana ny vaovao ampy narahana fanadihadiana ho an’ny mpamaky. Maro no voatohintohina sy nahatsiaro voakasika manokana tamin’ireo lahatsoratra maro be navoaka teto, indrindra fa ireo manampahefana. Tsy sanatria halako bika tsy tiako tarehy anefa ireny fa natao mba hanairana ny vavahadin-tsain’ny rehetra, satria tsy vitan’ny kabary ambony vavahady sy ny fampanantenana manjelanjelatra fotsiny ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka fa mitaky asa mivaingana. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany no tairina fa ny olom-pirenena tsy an-kanavaka miaraka amin’ireo mpiara-miasa amin’i Madagasikara ihany koa. Tsy natao hahafaly an-dRakoto na hahatezitra an-dRabe na hampanofinofy an-dRasoa ny gazety fa fitaovana iray mampita ny zava-misy araka ny vanim-potoana isehoany. Folo taona, eny mety efa betsaka kanefa mbola maivana sy bitika ihany raha jerena indray mitopi-maso  ny ezaka miandry ny tsirairay amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. Voaresaka teto ny politika, sosialy, trangam-piarahamonina, toekarena, fifandraisana iraisam-pirenena, finoana…ary tsy maintsy mbola horesahana. Teo ny nampalahelo, ny mety nahasosotra fa maro be ihany koa ny nahafinaritra, indrindra rehefa hita fa nisy nanitsy ny fomba fiasany sy ny famindrany noho ny lahatsoratra nivoaka. Mijoro ho an’i Gasikara hatrany ny Tia Tanindrazana ary mbola hiroso lalina kokoa amin’ny fanairana sy fanentanana ny mpiray tanindrazana mba ho sahy handray andraikitra fa tsy hanantena fahagagana isaky ny mihetsika. Ny bainga mivadika ihany no vavolombelon’ny mpiasa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT