Politique

Foiben-toeran’ny FTT ao Antsirabe Sady ifaneraserana no hanofanana nomerika, fiompiana,…


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Efa feno fahavononana avokoa ny mpiara-dia sy mpikambana eo anivon’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT)

manerana ny Nosy hifandray tanana. Iray amin'ireo izay afaka mandray ny haniry hifanohana, ohatra, ny foiben-toerana hiasana ao Antsirabe, Route d’Ambositra, akaiky ny Hotel Royal. Misy solosaina maro sy efitrano fampiofanana nomerika mandray ireo tanora sy izay liana ka maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana. Anisan’ny hanofanana ireo izay rehetra tonga ao ohatra ny mikasika ny fiompiana kisoa, akoho, trondro . Ny fambolena tsaramaso, fambolena vary amin ny toerana tsara rano, fambolena amin ny toerana ratsy rano, fambolena katsaka, fiompiana omby vavy be ronono, fanamboarana fromazy, fanamboarana pâte jaune , fanamboarana vinaigre de cidre, … Fa misy ihany koa ny fampianarana teny Anglisy isaky ny seha-pihariana. Tsy adino ny fampianarana informatique bureautique sy resaka “community manager” izay mahaliana tokoa ny tanora amin’izao fotoana.

MAIMAIMPOANA, EFA MIELIM-PATRANA, MIFANDRAIKA AMIN’NY VINAN’NY FTT
Marihana fa maimaimpoana ny fiofanana, ary ireo rehetra ireo dia efa misy any amin'ny faritra hafa toa an'i Fianarantsoa, Ambositra, Fandrina, Amparafaravola, Mahajanga, Toamasina,...sns Mifandray tanteraka eto ireo Vina 3 ijoroan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana izay tarihin’i Tahina Razafinjoelina dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana/fitsinjaram-bola, sy ny momba ny Nomerika. Zaraina amin’ny mpiray tanindrazana isam-paritra ny zava-drehetra tsara ho fantany momba ny faritra misy azy,tohanana ara-pitaovana izy amin’izany ary efa miasa ny teknolojia. Mila mahalala ny taniny sy ny harena misy ao aminy ny Malagasy ary mila manana ny fahaizana hahafahana mitrandraka izany. Tsy hoe fampanantenana fa fanohizana ny asa efa natomboka no ataon’ny firaisankinan’ny Tia Tanindrazana raha ireo zava-misy ireo ary efa tsinjo sahady ny fampandraisana andraikitra isam-paritra.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT