Politique

Fodian’i Marc Ravalomanana “Izy no erany”, hoy Razafindralambo Vola Dieudonné


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Efa nilaza hatry ny ela izahay ao amin’ny antoko TIM, hoy Atoa Razafindralambo Vola Dieudonné, fa tsy misy afa-tsy ny fampiharana amin’ny antsipirihany ny tondrozotra no izy.

 Tsy fotoanan’ny fandresen-dahatra intsony izao. Misy fetra mantsy ny zava-drehetra. Ho taraiky eto ihany isika mianakavy fa aleo hatsangana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Manao antso avo izahay ho an’ireo izay misalasala sy tsy mbola vonona hitondra ny anjara birikiny ao anatin’izany mba hiditra. Izahay Tiako i Madagasikara tarihan’ny filoha Raharinaivo Andrianatoandro dia nanolotra olona ho minisitra ka amin’ny anaran’ny Escopol no nanoloranay izany. Anisan’ny mpanorina azy io mantsy izahay, hoy ity ambasadaoron’i Madagasikara taloha tany Alzeria ity. Mikasika ny fodian’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ny anay dia izay voasoratra ao anaty tondrozotra ihany. Mazava fa ny voasoratra ao anaty andininy 20 izay mbola narahan’ny fanazavana nomen’ny Troika- SADC izany. Izy no erany, izany hoe izy no mahafantatra na hody na tsia. Izahay tsy afaka manery azy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT