Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,
coordonatrice de programme ao amin’ny “Friedrich-Elbert-Stiftung” na FES Madagascar. Tantsoroka iray nentin’ny FES hanohanana azy ireo indrindra ny hetsika Focus démocratie 2024 notanterahana tetsy amin’ny Novotel Ivandry anio. Fotoana nahafahan’izy ireo nampahafantara misimisy kokoa ny olom-pirenena ny teny antom-pisiany fa ihany koa nahafahany nifandray manokana tamin’ireo tanora ho avin’ny firenena maniry ny hirotsaka ao anatin’izany tontolo politika izany. Tsikaritra nandritra ny fandraisam-pitenena’ireo antoko politika miisa 30 nandray anjara ny fitoviana fomba fijery, izay mikendry ny hampandroso an’i Madagasikara na eo aza ny fironana sy ny tarigetra ary ny antom-pijoroan’ny tsirairay avy. Tsy maintsy halavirina ny disadisa ara-politika hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro raha te hametraka demokrasia marina eto amin’ity firenena ity ary miainga amin’ny fifaneraserana sy fifampiresahana ny samy antoko toy ny nitranga androany izany. Ankoatra ny trano eva nandraisan’ireo antoko politika anjara dia nisy ny adihevitra samihafa, sehatra manokana hanomezan-danja ireo mpitarika ny antoko politika ahafahan’izy ireo mifampizara amin’ireo tanora ary fihaonana eo amin’ireo antoko Politika sy ireo sehatra tsy miankina ara- tsosialy sy ekonomika.
Lalaina Rav
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.