Florence Rahantasoa

«Tokony hisy sivana mazava amin’ireo antoko politika be dia be ireo!»


  • Alarobia 14 Mey 2025

300 isa eo izao ny antoko politika eto Madagasikara ary anaty fanavaozana izany

eny anivon’ny minisiteran’ny atitany mihitsy isika izao, hoy ny fiarahamonim-pirenena Florence Rahantasoa. Ankavitsiana amin’ireo nefa, hoy izy, no tazana nanao kaongresy nasionaly. Tsy dia hita loatra koa ny anjara andraikitry ny antoko politika amin’ny resaka adidy miandry azy eto amin’ny firenena. Isany ny fanabeazana, ny fanentanana sy ny andraikitra voalaza anatin’ireny hoe fitsipika anatiny ireny. Ny mpanohitra foana matetika no hita manao fanakianana. Vitsy nefa ireo sady mitondra vahaolana no manakiana. Fanakianana no tena hita betsaka. Raha ny tokony ho izy tsinona, misy ny atao hoe mpanohana sy mpanohitra. Ny mpanohana fitondràna moa dia lasa antoko mideradera ny zava-misy fotsiny fa tsy mipetraka ho mpitaiza. Raha tsy hiresaka isika hoe amin’izao fotoana izao betsaka ny tsy fandriampahalemana, indrindra, ny tsy fanajàna ny zon’olombelona eto anivon’ny repoblikan’i Madagasikara, izay tsy dia ahitàna loatra ny fandraisana andraikitry ny mpanao politika ao anatin’izany rehetra izany. Ao anatin’ny lalàna mamaritra momba ny zon’olombelona moa ny fahalalahana hanangana antoko politika saingy eto Madagasikara hita ho lasa diso malalaka loatra indray ilay izy. Zon’ny olona tsirairay no hiditra amin’izay tiany na hanao fiarahamonim-pirenena na hanao politika. Ny zava-misy nefa dia ny tsy fisian’ny fandraisan’andraikitry ny ankamaroany na fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Lasa ohatran’ny ataon’ny sasany fitadiavam-bola fotsiny ny fananana antoko politika entina manohana na manohitra. Tokony hisy aloha izany, voalohany indrindra, sivana mazava amin’ireo antoko politika be dia be ireo! Iza no tena nahavita sy nahatàna ny voalaza anaty fitsipika anatiny? Manao ahoana izy eo amin’ny fanaovana kaongresy nasionaly any anivon’ny fiarahamonina any, hoy hatrany ity fiarahamonim-pirenena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT