Nanolotra ny tatitra farany mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka 2019, ary ireo tolo-kevitra entina hanatsarana ny fifidianana ho avy sy ho fisorohana ny fomba mamohehatra amin'ny fifidianana ny SAFIDY omaly. Tamin’ny ankapobeny, ny fifidianana dia nizotra tamin’ny filaminana, 98% tsy nahitana korontana.
Ny dingana rehetra nandritra ny fifidianana solombavambahoaka 2019 dia nizotra tamin’ny filaminana na teo aza ireo tsy fahatomombanana sy lesoka. Nahatsapa ny SAFIDY fa tsy nisy mangarahara ary maimaika sy nisy fanilihana ny fanovana ny lalàna mifandraika amin’ny fifidianana solombavambahoaka, indrindra mikasika ny fanovana ny fomba fizarana toerana izay tsy nampahafantarina ny besinimaro raha tsy taorian’ny fandaniana azy. Misy amin’ireo tsy fetezana efa niverimberina no mbola hita mandoto ny zotram-pifidianana toy ny lalam-pifidianana. Etsy an-danin’izay, nisy ny lesoka sy tsy fahatomombanana teo amin’ny lalàna misy ankehitriny: fahabangana eo amin’ny fombafomba atao amin’ny famerenana ny vola naloa raha tsy nekena ny filatsahan-kofidiana, tsy fisian’ny fepetra momba ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra, tsy fisian’ny fetra farany ambony momba ny fandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra sy ny tsy fanerena ny fanokafana kaonty any amin’ny banky ahafahana manaraka ny fandaniana amin’izany, ary tsy fampiharana ny lalàna mikasika ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra. Manampy trotraka ireo ny fe-potoana fohy loatra ahafahana mametraka ny fitoriana. Tombana amin’ny voka-pifidianana sy ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka : ambany ny fototra nahavoafidy azy. Noho ny fihenan’ny taham-pandraisana anjara tamin’ireny fifidinana ireny, ny fametrahana ny fandehanana mifidy ho didy tsy azo ihodivirana dia adihevitra sy fandalinana lalina tokony hataon’ny mpisehatra rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.