Nitarika fivoriana niarahan’ny governemanta sy ny CENI ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, ho fijerena akaiky ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna.
Natao mba hahafahana mahafantatra izay olana madinidinika mety hiteraka tsy fahatomombanana, ary mitondra vahaolana mifandraika amin’izany. Nanambara ny praiminisitra fa hifarana ao anatin’ny telo andro (ttf: omaly) ny fotoam-pametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ary mizotra ara-dalàna ny fikarakarana rehetra. Milamina, hoy izy, amin’ny ankapobeny na eo amin’ny lafiny fikirakirana ny fitaovana na eo amin’ny tetibola. Nojerena ihany koa ny andraikitry ny tetikasa “SACEM” izay nanohana tamin’ny fifidianana hatramin’izay. Nilaza koa ny teo anivon’ny CENI fa mizotra araka ny tetiandro napetraka ny fanomanana. Mbola mihisatra amin`izao herinandro farany fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ireo kandidà manatitra izay eny amin`ny OVEC ka manentana an`ireo antoko politika sy vondron’olona tsy miankina izay maniry hirotsaka eo amin’ny andraikitra maha Ben’ny tanàna na mpanolotsain’ny tanàna mba tsy hiandry ny fotoana farany amin’ny fanaterana izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.