Politique

Fizarana vary sy loaka etsy sy eroa Fa lasa « service traiteur » ve izany ilay IEM e ?


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Rehefa nangingina kely fa mbola niatrika ny fahombiazan’ny Barea, dia nitohy tany Mahanjanga indray ny fizaran-javatra nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Voizina mafy sy ezahina haseho fa tena akaiky sy mitsinjo ny vahoaka amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana etsy sy eroa, mba hanehoana fa tena mijery ny sosialin’ny Malagasy. Nivadika ho programam-panjakana vaovao mihitsy ilay mizara sy manome, izay tena ilaina, saingy ny olana tsy mahasehaka ny Malagasy maro an’isa, izay tena dobo ao anatin’ny fahantrana ka isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana tao anatin’ny 4 taona. Ny resaka fanavotana ny toekarena sy fampiakarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy eo anatrehan’ny fidangan’ny vidim-piainana toa tsy tena misy vahaolana ka aleo manao serasera mizara zavatra sy hanina ? Mba hanakonana ny tsy fahombiazana, mandeha ny fitetezam-paritra hanehoana an-tsary fa tena miasa ho an’ny sosialim-bahoaka ny Filoha. Tonga hatrany amin’ny hoe: mizara hani-masaka. Asa izao ve no hevitr’ilay tenin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hoe: “Un bon président, c’est celui qui sait nourrir son peuple”, araka ny teniny tany Dakar ny faramparan’ny febroary teo, raha niatrika ny Fihaonana an-tampony momba ny fambolena ny fanjarian-tsakafo, ary ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena? Ny sary tiana haseho mafy ankehitriny dia tena akaiky ny vahoaka sy mamahana azy hany ka nanaovana serasera mihitsy fa ajanona aloha ny fotodrafitrasa fa hifantoka amin’ny sosialy. Fa lasa “service traiteur” ve izany ilay IEM ka mahandro sy mizarazara sakafo etsy sy eroa? Odiana adala sy hanadiovan-tena sy ezahina hitadiavana hirika hanilihana azy mantsy ireo fampanantenana zavon-tany tsy tanteraka tao anatin’io IEM io, ka toa zavatra hafa mihitsy no ezahina haseho sy tanterahina ankehitriny. Asa tena izao ve ny politika mety sy mahomby indrindra ary tena asan’ny fahefana mpanatanteraka sa dia efa hoe: izao aloha ny làlana mba mety ahafahana manao pi-maso indray amin’ny fifidianana 2023 ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT