Politique

Fizarana seza teny Ambohitsorohitra Mpanara-maso fotsiny ny ankolafy Zafy fa tsy nanao sonia


  • Alakamisy 06 Oktobra 2011

Vaky koa ny ankolafy Zafy, mandeha irery i Manoro Régis ka miady ho praiminisitra. Anisan’ny resaka nandeha ireo hatramin’ny nandraisan’ity farany anjara tamin’ny fihaonan’ny vondrona politika teny Ambohitsorohitra.

 Nitondra fanazavana momba izany ny tenany omaly niaraka tamin’i Emmanuel Rakotovahiny tetsy amin’ny Villa Elisabeth. Nambaran’i Manoro Régis àry fa nisolotena an’i Emmanuel Rakotovahiny izay nahazo fanasana avy amin’i Andry Rajoelina no antony nankanesany teny Ambohitsorohitra. Tsy nandray anjara tamin’ny adihevitra nizarana seza eny anivon’ireo rafitry ny tetezamita anefa izy, araka ny nambarany ihany, fa mpanara-maso fotsiny ihany.

“Ny fitanana an-tsoratra manamarina ny fahatongavana no nataoko sonia fa tsy tamin’ny antontan-kevitra na taratasy izay nisy ny fanapahan-kevitra notapahan-dry zareo akory”, hoy izy. Dr Emmanuel Rakotovahiny, praiminisitry ny profesora Zafy nandritra ny fitondrany kosa no nilaza fa tsy nalefan’ny filohan’ny ankolafy nanatrika fivoriana niaraka tamin’ny G10 intsony ny iraka afak’omaly rehefa nahatsikaritra zavatra hafahafa. Lasa natao tamin’ny toerana roa samy hafa indray mantsy ny fivoriana. Fanapepoana sy fanandevozana ny Malagasy kosa ny fahitan’i Emmanuel Rakotovahiny ny fikasana hanitatra ka hampitombo isa ny parlemantera ho 470.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT