Nahena ny departemanta minisiterialy, fa nampiana ny sekreteram-panjakana eo
anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, raha ny nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Miisa 7 eo izany, ka hametrahana Sekretariam-panjakana ny: fampidirana jiro eny ambanivohitra sy isan-tokantrano. Tanjona ny hahafa 60% na manodidina ny tokantrano no hisitra herinaratra. Io no hisahana ny fizarana ny « hazavana ho anao » isaky ny tokantrano tsy manana jiro, ka hovitaina ao anatin’ny herintaona, hoy i Andry Rajoelina. Hisy ihany koa ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ady amin’ny fahantrana, hijery ny resaka fanomezana trano, titre vert,… Sekreteram-panjakana misahana ny fanjarian-tsakafo ; hanaparitaka ny fizarana zezika sy masomboly. Sekreteram-panjakana misahana ny « Plan et économie ». Sekretariam-panjakana misahana ny Tanora sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Sekretariam-panjakana miandraikitra ny « Digitalisation » hametrahana ny hahafahana miditra amin’ny « digitalisation » eo amin’ny fikirirakirana ny taratasim-panjakana. Sekretariam-panjakana, Varotra sy fanjifana. Anisan’ny hametrahana izany ihany koa ny asa tànana,... Vitsy ny olona miasa ao, eo amin’ny 20 na 15 fa raha minisitera dia lasa manana talem-paritra, hoy ny fanazavan’i Andry Rajoelina. Rehefa zohiana, endrika fizarana seza ihany io, ary mitady hifanaloka amin’ireo Minisitera ihany rehefa zohiana. Mila vola be ihany koa ny fanodinana izany, ary rehefa zohiana, dia endriky ny fizarana seza ihany, fa tsy hanomezana sary fa nitombo ny rafitry ny governemanta no hanasarahana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.