Nanomboka tamin’ny zoma indray ny fivoriana tsy ara-potoana fahefatra eny amin’ny antenimieram-pirenena.
Ny fandinihana ireo volavolan-dalàna fehizoro hafa tsy momba ny fifidianana intsony moa no antony. Araka izany dia hitombo indray ny andro hivoriana tsy ara-potoana ary mazava ho azy hitombo hatrany ny fandaniam-bola noho ny tsy famatorana. Iniana tarazohana mihitsy angamba ity fivoriana ity ilatsahan’ny vola ho azon’ireo solombavam-bahoaka ireo. 192 000 Ar ny an’ny filohan’ny Antenimiera, 150 000Ar ny an’ny birao maharitra ary 124 000 Ar ny an’ny solombavambahoaka araka ny didim-pitondrana laharana 2014-259 izay mametra ny vola tambin-karama omena azy ireo amin’ny fivoriana tahaka itony. Ankoatra izay, 3 500 000 Ar ny karaman’ny depiote amin’ny fivorian’ny parlemanta. Mety hiakatra hatrany amin’ny 5 294 000 Ar miaraka amin’ny tambin-karama ny vola azon’ny depiote rehefa sendra fivoriana tsy ara-potoana tahaka itony; 151 no anisan’ny depiote eto Madagasikara, izany hoe efa manafosafo ny 800 tapitrisa ariary ny vola omena azy ireo. Izany no vola mivoaka kanefa dia iniana hitarina indray ity fivoriana ity. Manginy fotsiny ny tolotra tamin’ny malety izay tsy nitsaha-nidangana tamin’ireny fandaniana ny lalam-pifidianana ireny. Misy aza moa sasatry ny mametra-bola eny amin’ny banky nandritra iny fivoriana iny. Mampanontany tena mihitsy hoe raha mba ireny vola be nozarazaraina ireny re no nanaovana lalana ohatra mba mety efa nahavitana kilometatra maro ihany. Raha mba nanaovana asa soa fotsiny koa ary izany tahaka ny hoe fizarana vary sy laoka na fanafody maimaim-poana dia efa mba nanome teboka miabon’ny fanjakana. Fitadiavan-tseza sy fiarovana tombontsoa manokana ihany anefa no mibahan-toerana hany ka adino tanteraka ny fahantran’ny Malagasy izay efa zara raha mahita harapaka.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.