Politique

Fivorian’ny depiote Mijery akaiky ny toe-draharaha ny iraisam-pirenena


  • Alarobia 03 Mey 2023

Isan’ny sary nanamarika ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena omaly 02 mey teny Tsimbazaza ny fanontronan’ireo diplaomaty vahiny izany.

Voalaza fa nahazo fanasana izy ireo saingy sary tsy dia fahita firy io omaly io, izay midika zavatra goavana ara-diplaomatika manoloana toe-draharaha politika eto amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao. Tazana teny an-toerana ny Masoivohon’I Algérie, Maurice, Comores, ary teo ihany koa ny solontenan’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina, Etazonia, Chine, Allemagne, Grande Bretagne. Midika fa manara-maso akaiky ny zava-misy, ny fihodina sy ny fiasan’ny antenimierampirenena izay andrim-panjakana stratejika be manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto ny sehatra iraisam-pirenena. “Heveriko fa misy pimaso na zavatra andrasan’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika eo anivon’ny parlemanta, toy ny hoe: tokony mandray andraikitra, mijoro, mandray ny andraikitra andrasan’ny vahoaka. Mahatsapa ireo vahiny ireo fa ohatran’ny marefo ilay parlemanta na antenimiera, ka tahaka ny te hanome hery izy ireo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, izay sady Filoha lefitry ny antenimierampirenena. Fifandrifian-javatra tokoa ve hoe: taorian’ny romoromo politika nanatsaharana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta teny antenananteny ny volana desambra 2022 sy ny fandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitorian’ny depiote tamin’ny Alalan’ny HCDDED (Filan-kevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna) no miseho izao sary izao? Betsaka ihany koa tetsy andaniny ny fitoriana na fitarainana tonga teny amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny demokrasia ary masoivohona firenena maro, ohatra, no naneho ankolaka ny tsy fankasitrahany ilay tsy fahafahana manao famoriam-bahoaka politika ankalamanjana. Lapan’ny demokrasia no hilazana ny antenimierampirenena ka maneho hafatra an-kolaka fa manohana ny tena tokony hampanjakana izany sy mampitandrina ny mety ho mifanohitra amin’izany ve ny mpiara-miombon’antoka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT