Politique

Fivoriana teny Iavoloha Fihetsiketsehana re izao e !


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Hafa tsy tahaka ny mahazatra ny endrika nisehoan’ny fanovana mpikamban’ny governemanta ny alatsinainy 20 febroary lasa teo. Somary mampametra-panontaniana hoe:

teto an-toerana ve ny Filoham-pirenena tamin’io fotoana io sa tsia? Tena ireny ve ny isan’ny olona nokasaina hosoloina? Omaly 22 febroary 2023 nialohan’ny filankevitry ny minisitra vao nisy ny fiaraha-maka sary tamin’ny Filoham-pirenena, ary naverina nampahafantarina sy nilazalaza ny vinany sy ny programany ireo Minisitra. Nandritra io no nilazan’I Andry Rajoelina fa fomba fiasa vaovao indray no atao, ny minisitra tsirairay dia hametraka tetiandro amin’ny zavatra ho vita sy ho tazana eo amin’ny minisitera tsirairay, ho tsapa ao anatin’ny 3 sy 6 volana. Misy ny velirano ankapobeny fa misy velirano manokan’ny Minisitera. Ohatra noraisiny ny hoe: rahoviana no hanomboka ny làlampirenena RN2, RN4, RN7,… Ahoana ny tetiandro, mila mangarahara, lazaina ny tetiandro mazava hanombohany sy hahavitany, tsy mahamenatra ny milaza hoe: hanomboka afaka 2 volana,... Raha izany: nahoana no tsy vitany ny RN13 efa tamin’ny 2020 no nolazaina fa hanomboka? Mby aiza ny pipeline any Atsimo? Aiza ho aiza ny Tanamasoandro handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023? Aiza ny orinasa Gasycar efa tany amin’ny 2 taona lasa? Tahaka ny hoe: governemanta vao mijoro taorian’ny fahalanian’ny Filoham-pirenena ny fihetsiketsehana aty amin’ny 6 volana farany tsy hahataperan’ny fe-potoana iasana, ka mbola mifototra sy miaina amin’ny fampanantenana hatrany. Efa aty amin’ny fiafarany, mbola mandeha ny fiezahana mitanisa an’izao sy izatsy, raha toa ka efa fandrefesana ny fahombiazana sy ny tsy fahatanterahana sisa no tena tokony hamaritra ny fiafaran’ny taom-piasana. Hatramin’izao anefa mbola ao anaty fitanisana velirano rehefa tena zohiana sy halalinina. Tena hisy ve ny fahagagana taorian’ny nanovana mpikamban’ny governemanta hiatrika ny 6 volana farany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT