Politique

Fivoriana sy tatitra eny Tsimbazaza Sao dia mba efa mikomy aza ireo depiote ?


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Endrika fikomiana amin’ny governemanta sy ny filoham-pirenena izay heverina fa nanao tsinontsinona ny fitsipaham-pitokisana

ny praiminisitra nataon’izy ireo farany teo ve sa tena efa tsy firaharahiana ilay fiainam-pirenena sy ireo vahoaka nifidy azy ireo intsony mihitsy? Fanontaniana manitikitika io manoloana ny fahalainan’ireo depiote manatrika fivoriana eny Tsimbazaza tao anatin’izay fiverenan’ny fivoriana ara-potoana izay. Maneho ny tsy fahafaliana na fahatezerany mihitsy amin’ny rafitra mpanatanteraka ve ny rafitra mpanao lalàna? 151 no isan’ireo solombavambahoaka izay samy manana ny toerany eny amin’ny antenimieram-pirenena kanefa dia 19 ihany no isan’ireo tonga mivory misy fotoana. Misy fotoana 14 sy 15, izany hoe am-polony amina depiote maherin’ny 150 isa no manapaka ny fiainantsika mianakavy eto. Ny talata teo izao ohatra dia izany no isan’ny depiote nanatrika tatitra nataona minisitra miisa 4 dia ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, ny minisitry ny fitsarana, ny minisitry ny fambolena sy minisitra lefitra misahana ny fiompiana. Sehatra tena goavana eto amin’ny fiainam-pirenena anefa ireo, raha ny fitsarana manokana dia firifiry ny fitarainana amin’ny fomba fiasa, ny hetaheta amin’ny fanatsarana io tontolo io. Ny fambolena sy ny fiompiana, tena ain-dehiben’ny firenena satria manana tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo noraketina anaty velirano izao fitondrana izao, fa dia tsy hita ireo solombavambahoaka. Tsara ho marihina foana fa fivoriana ara-potoana tondroin’ny lalampanorenana no atrehana eny Tsimbazaza izao.Ho entintsika aiza ity firenena ity, hoy ilay fanontaniana lasa mipetraka saika isan’andro.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT