Politique

Fivoriana eny Ambohitsorohitra Mandeha irery i Manoro Régis ?


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Omaly dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny firehana Zafy Albert manoloana ny resaka etsy sy eroa.

 Nilaza ny profesora filohan’ity ankolafy ity, fa tahaka ny tsy misy ny dia nataon’i Manoro Régis rehetra sy izay zavatra nifampiresahany tamin’ny FAT teny Ambohitsorohitra hatramin’izay. Mazava izany izao fa ireo mpomba an-dRajoelina ihany ireo manapaka sy manao izay tiany atao amin’ny fampiharana ny tondrozotra ireo. Miray feo kosa ireo mpanao politika ao amin’ny firehana telo ny amin’ny fitakian’izy ny isian’ny fihaonana eo amin’ny mpitarika ny ankolafy efatra eto Madagasikara. Mitombina tanteraka noho izany ny fanambarana nataon’ny Troika ny amin’ny tokony tsy hanapahana hevitra irery intsony mikasika ity tondrozotra ity.

Ny firehana Ravalomanana dia efa nilaza tamin’ny alalan’i Mamy Rakotoarivelo fa tsy misy inona tokony hatao aloha raha tsy tonga ny Troika SADC. Maika tsy faingana anefa ny sasany ka io miantso fivoriana isan’andro eny an-dapa io. Hanova zavatra eo amin’ny tantaran’ny tondrozotra ity fanamarihan’ny Profesora omaly ity.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT