Tombony ho antsika Malagasy ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia amin’ny taona 2016
, hoy ny depiote Ravahimanana Guillaume avy any Miarinarivo izay filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny zavatra atao dia misy tombontsoa avokoa raha hay ny mikarakara sy mandray azy, hoy izy. Tena misy tombontsoa ho antsika eo amin’ny fampandrosoana ara-ekonomika sy ara-tsosialy izy io fa hisy fotodrafitrasa hipetraka toy ny lalana, trano ary hampahafantatra antsika aty Afrika, aty amin’ny oseana Indiana, any Eoropa, manerana an’izao tontolo izao mihisy izy io. Efa ela no niandrasana ary efa elaela koa ny fitondram-panjakana no nanomana ny fandraisana ka heverinay fa tokony hatao izay handraiketana azy. Mikasika ny resaka fampirohoroana maneran-tany dia mazava, hoy ny depiote Guillaume, fa anjarantsika ny miaro ny olona ka eo anatrehan’izay dia tokony hanana ny maha izy azy ny fitondrana malagasy. Anjarantsika ny miaro ny firenentsika sy ny olona ao aminy ka mino aho fa andalana fikatsahana izany ny eto amintsika, na fandriampahalemana anatiny na ny any ivelany. Ka eo anatrehan’izay dia tokony hanana ny maha izy azy ny fitondrana. Raha ny amin’ny resaka fitakiana ny “iles éparses” dia tsotra ny ambarako hoe : “Chaque chose a son temps” ka ao antin’ny fotoan-tsarotra dia ny fametrahana ny fandriampahalemana aloha no mahamaika antsika sy ny famaliana ny fanontaniana hoe : hiara-kiasa amin’ny Frantsay ve isika sa ahoana ? Ka amin’izao ny laharam-pahamehana mahamaika noho ny fitakiana an’izany aloha ankehitriny dia ity fandraisana ny Frankofonia ity. Marina fa antsika io fa ho any tokoa ve isika raha azo anio dia anio ireo ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.