Politique

Fivorian’ireo CT sy CST Miantso ny miaramila hampihatra ny sori-dalana


  • Talata 18 Oktobra 2011

Raha ny voarakitr’ilay sori-dalana ao amin’ny andininy faha-30 dia foana avokoa ireo rafitra FAT rehetra napetraka nialoha ny 17 septambra nanaovan’ireo hery politika sonia iny tondrozotra iny.

 Ho an’ny Ankolafy 3 àry dia tsy ara-dalàna ny fivoriana kasain’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita hisokatra amin’ity anio ity. Tsy voasoratra ao anatin’ny sori-dalana izany, hoy ny pastera Edouard Tsarahame, avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert. Fanontaniana moa no napetrany raha toa ka tetika handravana ny sori-dalana vita sonia indray izao fihetsiky ny FAT izao. Manoloana izany indrindra àry dia miantso ireo mpitandro ny filaminana ny Ankolafy telo handray andraikitra, hampihatra ny sori-dalana. “Sakano izany fivoriana izany mba tsy handaniana volam-panjakana”, hoy ihany i Edouard Tsarahame.

Nanamafy moa ingahy Victor Hong fa raha toa ka tsy handray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana dia vonona ny handray ny fepetra mifandrindra amin’izany ny Ankolafy telo. Hojerentsika ny ho fihetsik’ireo miaramila, hoy ihany izy raha toa ka hampihatra ny sori-dalana na tsia. Tsaroana manko, hoy izy tamin’ny Ankolafy telo nikasa hametraka ireo parlemantera, ny 22 desambra 2009, dia baomba lakrimozena no nitsenana azy ireo. Aleo isika, hoy izy ireo tsy hifanome lesona fa hifanaja ka miantso ny fahendrena lalin’ireo mpitandro ny filaminana manoloana izany rehetra izany. Io no ho famantarana na hampihatra tokoa ilay sori-dalana ireo miaramila na tsia.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT