Mafampana ny tontolo politika teo amintsika tato amin`ny andro vitsivitsy izay tamin`ny tranga teo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Fanambarana etsy, fitakiana aroa, fikonokononana hetsika any ambadimbadika rehetra any…
Raha natao ny fampitahana dia nandritra izao fitondrana HVM izao angamba no nahitana fanehoana isan-karazany indrindra teo amin’ny tantaran’ity nosy ity. Eto mantsy ny mpitondra foana no tsy maintsy manana ny marina sy tia tanindrazana, fa ny hafa kosa fahavalom-pirenena rehefa tsy mitovy hevitra aminy. Raha tiana ny hampilamina ny firenena ka hirosoana amin`ny fitoniana dia tsy azo ihodivirana ny fanatontosana ny fifamelana faobe tsy anavahana na iza na iza eo amin` ireo samy mpanao politika tsy mitovy hevitra araka ny hevitry ny fitambaran`ireo vondrom-politika samihafa Madagasikara Soa. Tafaraka ao anatin`izany fivondronana izany I Jean Omer Berziky, Saraha Rabeharisoa, Ny Aina Andriamanjato,… Araka ny fijerin`izy ireo dia ny fitondrana maro nifandimby teto Madagasikara dia samy nahitana hatrany adilahy politika izay niteraka fifandrafesana, fifamoana ankolaka, fifamotehana izay miafara amin`ny fisavororoana sy fahantrana lalina ho an`ny vahoaka Malagasy. Ireo mpanao politika mahazo ranon-dranony kely amin`izao fitondrana izao ihany koa sisa no minia mikombom-bava manoloana ny fahapotehan`ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Ankehitriny dia tonga eo ammin`ny kihon-dalana izay manan-danja ho an`ny fiainam-pirenena, dia ny hanehoana ny safidy ho an`izay hitondra mandritra ny dimy taoana manaraka indray. Ny fikambanana Madagasikara Soa dia vonona mampiseho fa manana toe-tsaina mendrika mihoatra ambonin`izay nitondra tsy fahombiazana hatrizay. Vonona hitambatra amin`ny vondron-kery hafa kosa izy ireo hoy Omer Berziky raha toa ka mitovy ny tombontsoa iombonana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.