Fivondronamben’ny Malagasy

manohitra ny jadona Miantso ny iraisam-pirenena tsy hamatsy ny fifidianana


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Efa mivelatra ho an’ny Malagasy rehetra na eto an-toerana na ireo misandrahaka maneran-tany ny tolona

tarihin’ny Firaisankinan’ny kandida izay efa voasokajy ho tolom-bahoaka sy tolom-panafahana ankehitriiny. Nivoaka tamin’ny fahanginany indray ireo Malagasy mpila ravinahitra mielim-pantrana any Eoropa izay mikambana ao anatin’ny Fivondronamben’ny Malagasy manohitra ny jadona na FMMJ ny faran’ny herinandro teo. Maneho ny ahiahiny mikasika ny raharaham-pirenena, firenena manana fitondrana tsy ara-dalàna, governemanta iombonana izay tsy manaraka velively ny rafitra anatin’ny lalàmpanorenana ary nafindra hoentin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, araka ny fanambaran’izy ireo. Noho izany, mitaky ny fanajana ny fahalalan’ny Malagasy manerana ny Nosy hanao fihetsiketsehana sy hivory mandritra ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana, manohana tanteraka ny foto-kevitra ijoroan’ny Firaisankinan’ny kandida indrindra fa ny fitakiana ny fampiharana ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena dia fanalana ny kandida laharana fahatelo efa tsy mitondra ny zom-pirenena Malagasy intsony hatramin’ny novambra 2014 izay tsy mila ampahatsiahivina intsony, hoy izy ireo. Manohitra tanteraka ny fitsarana mitongilana avy amin’ny HCC, ny lisi-pifidianana volavolain’ny CENI, ny fampiasana ny fitaovam-panjakana ho an’ny fampielezan-kevitry ny filoha teo aloha, ary ny hery famoretana. Manameloka ihany koa ny fitsikilovana ny Malagasy amin’ny alalan’ny rindram-baiko “Predator” izay ambaran’izy ireo fa novidiana tamin’ny tsy ara-dalàna, ampiasaina amin’ny tsy ara-dalàna, izay volam-bahoaka 14 tapitrisa euros no nividianana azy. Hentitra izy ireo nilaza fa mitsipaka tanteraka ny firosana amin’ny fifidianana amin’ny 16 novambra. Manao antso avo amin’ny Fivondronambe iraisam-pirenena hanatsahatra avy hatrany ny famatsiam-bola sy fanohanana ny firosoana ny fifidianana izy ireo. Tsy manaiky sarin-tsarim-pifidianana, ary miara-mampiaka-peo amin’ny Firaisankinan’ny kandida amin’ny tsy fanekena ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny vahoaka Malagasy izay mitaky fifidianana ara-demokratika, izay manome lanja ny fanajana ny latsa-baton’ny mpifidy tsirairay. Manao antso avo ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra izy ireo, fa eny amin’ny kianjan’ny 13 may no fotoana, hoy izy ireo namarana ny fanambarana, narahina tamin’ilay hiaka hoe: “tsy voavidy vola!”
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT