FIVOI na Fiovana ivoaran’ny eny ifotony

Distrika 25 no nahafahana nametraka kandida ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2024

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo teny amin’ny ISTS Andoharanofotsy

ireo kandida ben’ny tanàna miisa 139 mirotsaka amin’ny anaran’ny fikambanana FIVOI na Fiovana ivoaran’ny eny ifotony, tarihin’ny filohany, Rajerison Antoine. Ireo, hoy izy, no nahatonga taratasy fa miisa 9 kosa ireo mbola iandrasana ny fankatoavan’ny CENI. Tsy nikaroka kandida mihitsy ny FIVOI fa ry zareo no nanatona ny fikambanana hoe te hirotsaka amin’ny anaran’ny FIVOI. Nisy kaominina sasany tena hoe olona miisa 10 no nofantenina tao aminy niaraka tamin’ny solontenam-pokonolona ary nanaovana fanadihadiana ifotony mba hahafahana misafidy izay mendrika ho kandida. Fampandrosoana miainga avy any ifotony no tanjona. Lasa rano nodikain’ny zinga ny teny ifotony hatramin’izay. Tsy tafapetraka intsony ny hoe tontolo fihariana miainga avy eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana. Anjaran’ny fitondram-panjakana nefa no mametraka izany lalam-barotra izany ahafahan’ny tantsaha mahita fivoarana satria rehefa tsy tonga ao an-tokantrano io vola io ka ratsy ny vidim-bokatra dia sahirana ny tantsaha. Lasa miala any an-tanàna sy miakatra aty an-drenivohitra. Tonga izahay hitarika fivoarana miainga eny ifotony, hametraka ny solontenanay eny koa hitarika an’izay fa tsy hitazana fotsiny. Distrika miisa 25 aloha tamin’ity no nahafahana nametraka kandida fa hirariana ny hahafahana mametraka izany amin’ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny fotoam-piasana manaraka. Mijapy ny efa mandeha no fanaon’ny mpanao politika eto Madagasikara hatramin’izay fa tsy mipetraka intsony ilay fotokevitra nijoroana, izay no anton’ilay fepetra hoe aleo ny eny ifotony no mijery ny mety aminy. Rafitra iray anaty fanjakàna foana ny kaominina. Volam-bahoaka no tantanan’izany fanjakana izany. Tokony hisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakàna foibe, noho izany, ny kaominina rehetra tsy an-kanavaka, hoy hatrany ny FIVOI.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT