Politique

Fivoahan’ny filoha any ivelany Mandany volam-bahoaka fotsiny !


  • Alakamisy 03 Desambra 2015

Ny talata 01 desambra alina no tafaverina teto Madagasikara ny filoha Hery Rajaonarimampianina rehefa avy niatrika ny fivoriana momba ny toetry ny andro COP21 tany Paris-Frantsa.

 


 

Fantatra indray izao fa efa handao ny tanindrazana izy hanatrika ny fivoriana Forum On China-Africa Cooperation any Johannesburg –Afrika atsimo ny 4 sy 5 desambra. Fihaonana an-tampony andiany faha-6 eo amin’ny Kaontinanta Afrikanina sy i Chine ity fivoriana ity. Tsy dia ny fanatrehana fivoriana loatra no olana fa ny vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fohy ezaka, antenantenan’ezaka sy lavitr’ezaka ho an’i Madagasikara amin’itony fivoahana any ivelany isaky ny misy hetsika ataon’ny mpitondra itony. Mahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Misy tombony ho an’ny Malagasy ve ilay izy ? Sa fitiavan’ireo mpitondra hisehoseho etsy sy eroa fotsiny ? Raha tsiahivina, ny 20 novambra no efa tsy teto Madagasikara ny filoha mivady fa nankany Londres, avy eo tany Bruxelles sy Frantsa, niverina kely teto an-tanindrazana dia nihazo an’i Paris Frantsa indray, dia nody kely dia io ho any Afrika atsimo io. Efa ho 10 andro tao anatin’ny iray volana izany no tsy teto Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina raha natao ny kajy tsotsotra.

Betsaka ny mivoaka, kely no miditra

Marina fa teo ny fanasoniavana tany Bruxelles ilay famatsiam-bola 512 tapitrisa euros avy amin’ny vondrona eoropeanina saingy tsy fantatra mazava ny ahazoana io vola io. Mbola maro be tsinona ny fepetra napetraky ny eoropeanina. Etsy an-kilan’izay, tsy misy resaka intsony ny tohin’ny fanatanterahana ilay PND (2015-2019), fandaharanasan’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izay nambara fa mila vola hatrany amin’ny 14,372 miliara dolara na 34 691 miliara ariary. Hatreto anefa dia tsy misy afa tsy 2,631 miliara dolara na 6352 miliara ariary ny fampanantenana famatsiam-bola mety ho azon’i Madagasikara avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.Ka moa ve ahita ny ambim-bola goavambe fanampiny amin’io fivezivezeny isam-bolana any ivelany io ny filoham-pirenena sa ahoana ? Ny vola kely sisa an-tanana anefa lany amin’ny saran’ny fiaramanidina sy ny hofana hotely sy sakafon’ireo delegasionina mandeha any ivelany isaky ny mihetsika.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT