Fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy

> Ny CES no tompon’ny teny farany


  • Sabotsy 04 Janoary 2014

Hatramin’ny nanombohan’ny krizy taorian’ny fanonganam-panjakana niseho ny volana martsa 2009 no efa hita soritra fa sarotra ny lalana hizoran’i Madagasikara ho famerenana ny fanjakana manara-dalŕna.

Ny antony dia satria tsy vitan’ny mpanao politika irery tamin’ny fidinana an-dalambe ny fanalana ny mpitondra tamin’izany fotoana izany fa tsy maintsy nampiasa hery ireo mpanohitra ny fanjakana voafidim-bahoaka ara-dalàna mba hiakarana eo amin’ny fitantanana ny firenena. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nisy sy nitranga izay nitarika ny fahasahiranan’ny mponina teo amin’ny lafiny maro ka niafara amin’izao fahantrana mandifotra ny Malagasy maro an’isa izao ankehitriny. Natao daholo izao fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra izay nandaniana fotoana maharitra izao na izany teto an-toerana na tany ivelany fa tsy nitera-boka-tsoa ho an’ny vahoaka. Ny nitovizan’ny rehetra hevitra kosa anefa dia ny firosoana amin’ny fifidianana madio, mangarahara, tsy mitanila ary eken’ny Malagasy. Dimy taona latsaka kely aty aoriana dia tojo amin’ny dingana famahana ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpanao politika ny firenena ka nanatanteraka ny andraikitra notakiana taminy ny olom-pirenena malagasy izay naneho ny heviny tamin’ny fandatsaham-bato izay ho filohan’ny Repoblika sy ho solombavambahoakan’i Madagasikara na dia nisy hatrany aza ireo sakana sy fomba mamohehatra isan-karazany avy amin’ireo mpitondra fanjakana tetezamita ankehitriny nialoha sy nandritra ny fifidianana.

Tonga eo amin’ny dingana farany isika izao dia ny fiandrasana ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy sy tena izy avy amin’ny CES taorian’ny fanambarana vonjimaika ireo valim-pifidianana izay voarain’ny teo anivon’ny CENI-T. Antenaina fa hijoro amin’ny maha rafi-pitsarana manokana mikirakira ny fifidianana azy ireo mpikambana mandrafitra ny CES ka handinika lalina, hamadibadika ireo antontan-taratasy marobe eo am-pelatanan’izy ireo ary handray ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny lalàna velona mifehy ny tany sy ny fanjakana mialoha ny hanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana ofisialy izay hamaritra ny hoavin’ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT