Niaro tena amin’ny fiampangana azy ho mividy safidim-bahoaka i Papa Souley raha mbola nikasa hamono omby tany Namakia nialoha kely ny ora fisokafan’ny birao fandatsaham-bato ny 20 desambra teo. Tsy vao tamin’ny fifidianana ny fikambanana Zanaka Avaratra misy ahy no manao asa soa, hoy ity kandida depiote tany Antsiranana I ity, fa efa an-taonany maro ka ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM no hetsika faramparany nataonay nialoha ny fifidianana tany Antsiranana. Noho ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka no nambarany fa antony nikasana hamonoana omby tany Namakia saingy najanona izany noho ny vavan’ny mpifaninana fa handrasana amin’ny fotoana manaraka. Nilaza moa ity kandida ity fa raha ny vokatra vonjimaika novakiana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana dia mety ho lany solombavambahoaka hisolo vava ny vahoakan’ny Distrikan’Antsiranana I ny tenany.
ManohyTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.