Fiverenan’ny tafika amin’ny vahoaka Sesilany ny antson’ireo

manamboninahitra ambony


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Tsy mpanongam-panjakana ny foloalindahy fa mpandamina sy mpandrindra ary tena mipetraka amin’ny toerana hoe

tandroka aron’ny vozona, manda aron’ny tanàna, hoy ny jeneraly Désiré Ramakavelo, izay minisitry ny fiarovam-pirenena ny taona 1991 hatramin’ny 1993. Ho an’ny tanindrazana, hoy izy, no nilokalokanao tao amin’ny akademia miaramilan’Antsirabe. Iza no tanindrazanao? Tsy azo lavina izany fa ny vahoaka 27 tapitrisa no tanindrazanao, hoy ihany izy nampiaka-peo. Teny ankilan’izay ihany koa dia naneho ny fahagagany manoloana ny kisambotsambotra ataon’ireo lazaina fa mpitandro filaminana etsy sy eroa ao anatin’izao toe-draharaha izao ny jeneraly misotro ronono, Ferdinand Razakarimanana. Tsy mampino, hoy ny fanazavany, raha mpitandro filaminana no tsy mahafehy fisamborana olompirenena toy ireny na koa manao herisetra amin’ny alalan’ny fanipazana baomba mandratra toy ireny amin’ny olompirenena manao hetsika am-pilaminana. Nanomboka sesilany ny azo ambara hoe antso na fanehoan-kevitra teo anivon’ireo manam-boninahitra manana ny lazany eo anivon’ny tafika malagasy tamin’iny herinandro iny ny amin’ny mba tena iverenan’izy ireo amin’izay fiarovana ny vahoaka malagasy izay. Isany nilaza koa moa ny kolonely Charles Andrianasoavina, izay voalaza fa manohy ny fitsaboan-tenany atsy La Réunion amin’izao fotoana izao taorian’ireny takaitra nahazo azy nandritry ny tetezamita 2009-2013 ireny, fa an’ny vahoaka ny miaramila ary hiverina amin’ny vahoaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT