Nivoitra io nandritra ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy tao Toamasina ny sabotsy 01 oktobra teo.
Niditra an-tariby nivantana avy atsy Afrika Atsimo, nandritra io hetsika io ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka nandritra izany no nanomezany toky ny mpiara-dia sy ny Malagasy rehetra fa «ho avy ary tsy mihoatra ny iray volana”. Na izany aza dia nambarany fa miankina amin’ny fametrahana ny governemanta iraisana nifanekena voarakitra ao anatin’ny tondrozotra io fiverenany io. “Aza manahy koa ianareo fa ny SADC no miantoka ny fiarovana ahy ka hamafiso ny firaisankina, hateveno ny fitiavana ary aindraindrao ny fifamelana, satria tsy ahitantsika tombony ny valifaty ary tsy misy mahita tombontsoa ao anatin’ny fifankahalana, izay tsy isika mihitsy no manana toe-tsaina toy izany», hoy hatrany izy nanohy ny teniny.
Ankoatra izay, fanontaniana maromaro no napetrany manoloana ny fanehoan-kevitra sy familivilian-dresaka mikasika ny tondrozotra ataon’ny mpanao politika sasany amin’izao fotoana izao. «Tena vonona hiala anaty krizy ve ny FAT ? Tena vonona hamaha ny olana ara-politika mampidi-kizo sy mitondra fahantrana amin’ny Malagasy izao ity ve ny mpanao politika ?». Santionan’ny fanontaniana napetrak’Atoa Marc Ravalomanana tao Toamasina ireo, nandritra ny fitafany mivantana tamin’ireo mpitolona tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy io. Nambarany hatrany mantsy fa «miha mivaona amin’ny sonia nataony tahaka ny nitranga tamin’ireo sonia nataony teo aloha rehetra ny FAT ankehitriny.
Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa misy andin’olom-bitsy mitady tombontsoa manokana sy faly amin’ny fahorian’ny Malagasy ao, ka manao izay ho afany hampitarazohana ny krizy ka mitady ny hivadika amin’ny sonia natao indray». Nomarihany anefa fa tsy mbola fankatoavana iraisam-pirenena ny fandraisam-pitenenana eo amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana. Tsy ny firenena Malagasy mantsy no manana olana eo anivon’izao tontolo izao fa ny mpitondra tsy ara-dalàna ao aminy. Tsy ho azo izany ny fankatoavana raha mbola hialana tahaka ny teo aloha ny sonia natao sy ny tondrozotra efa niarahana nanaiky teo imason’izao tontolo izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.