Politique

Fiverenan-dRavalomanana sy fivoahan’ny gadra politika Tokony hialoha ny fidiran’ny Ankolafy 3 anaty fitondrana


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011

Tanteraka avokoa izay voalaza teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’ny lah.621 tamin’ny alatsinainy 19 septambra teo, hoy ny mpandalina politika iray eto an-drenivohitra.

 Niresaka ny tafiky ny SADC sy ny tafika Malagasy, hoy izy, tsy hidirantsika lalina ny votoatiny rehetra tamin’izany fa tsy maintsy voaresaka tao ny amin’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra araka ny voalazan’ny tondrozotran’i Sandton. Amiko, hoy Rasamimanana Louis, olom-pirenena tsotra, dia tsy tokony hiditra ao anatin’ny fiaraha-mitantana mihitsy aloha ny Ankolafy 3, indrindra ny ankolafy Ravalomanana raha tsy mampiseho dingana aloha ny fitondrana FAT ka mamoaka an’ireo gadra politika rehetra, na sivily na miaramila mbola tavela any am-ponja hatramin’izao. Tsy tokony hiditra amin’izany governemanta izany koa raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana mihitsy ny filoha Ravalomanana. Raha tsy tanteraka mantsy ireo zava-droa loha ireo, hoy izy, dia mety hafoy tanteraka rehefa azon’ny FAT ny fankatoavana iraisam-pirenena.

Marihiko, hoy izy, fa efa in-droa ny FAT no nanandrana nampiditra mpikambana TIM tao anaty fitondrana fa tsy mbola nahazo fankatoavana hatreto satria ny TIM tena izy ahazoana izay fankatoavana izay dia izay mbola miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ihany ary efa fantatry ny FAT tsara izany izao ka mila mailo ny mpitari-tolona fa tsy ho maimay ny hahazo toerana fotsiny dia tavela any ny tena notakiana hatramin’izay dia ny fiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara sy ny fahazoany milatsaka hofidiana indray.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT